Renin-tsikidy

Avy amin'i Wikipedia

Ny renin-tsikidy dia ireo tsanganan-tsikidy valo voalohany amin'ny sikidy malagasy izay azo amin'ny alalan'ny fisarihana voan-tsikidy (voam-pano, voan-kily, voan-katsaka na voam-tsaramaso, sns), ka ny fifanampianan'izy ireo no mamorona ireo anao hoe "tera-tsikidy". Ny tsanganana iray ao amin'ny renin-tsikidy dia foronin'ny voan-tsikidy efatra hatramin'ny valo alahatra roa na iray avy ambony mianambany ka ny voan-tsikidy iray na roa voalohany dia atao hoe "lohany", ny faharoa "tratrany", ny fahatelo "valahany" na "vaniany" ary ny fahefatra farany "tongony".

Ny fahazoana ny renin-tsikidy[hanova | hanova ny fango]

Ny fahazoana ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany[hanova | hanova ny fango]

Ny famoronana ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany no ataon'ny mpisikidy ka raisiny amin'ny tanany havia ny voan-tsikidy ka anaovany tokom-boan-sikidy efatra eo ambony tsihy. Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ny voan-tsikidy. Alainy izay voa sisa (tokana na roa) dia apetrany eo ambonin'ny tsihy eo ankavanany mba hamoronany ny tsanganana voalohany, dia ilay atao hoe Tale. Averin'ny mpisikidy fanindroany amin'ny tokom-boan-tsikidy efatra hafa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny tsanganana manaraka izay apetrany eo ankavian'ny tsanganana voalohany, izany no atao hoe Maly. Averiny fanintelony izany dia azo ny ny tsanganan-tsikidy atao hoe Fahatelo. Averiny faninefany dia azony ny Bilady.

Ny Tale dia manondro ny "mpanontany", ny Maly dia manindro ny "harena", ny Fahatelo dia ilazana ny "rahalahy", ary ny Bilady dia manondro ny "tany onenana". Mitondra ny laharana voalohany hatramin'ny fahefatra izy ireo.

Ny fahazoana ny tsanganan-tsikidy efatra faharoa[hanova | hanova ny fango]

Mba hahazoana ny tsanganan-tsikidy efatra faharoa dia jeren'ny mpisikidy avy ankavanana miankavia ireo tsanganana efatra voalohany ireo. Tsy voatery hamorona tsanganana hita maso ny mpisikidy amin'izany fa mety ho ao an-sany ihany no amoronany azy. Ireto ny tsanganan-tsikidy efatra azo avy amin'izany: ny Fianahana izay manondro ny "zanaka", ny Abily izay manondro ny "reny", ny Alisay izay ilazana ny "vady", Fahavalo izay manondro ny "rafy"). Ny Fianahana dia vokatry ny fanakambanana ny lohan'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady; ny Abily dia fanakambanana ny tratran'ireo tsangan-tsikidy voatanisa ireo; ny Alisay dia vokatry ny fanakambanana ny maoja na vanian'ireo tsanganan-tsikidy efatra ireo, ary ny Fahavalo dia vokatry ny fanakambanana ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy ireo.

Mitondra ny laharana fahadimy hatramin'ny fahavalo izy ireo.

Fifanampianan'ny renin-tsikidy hahazoana ny tera-tsikidy[hanova | hanova ny fango]

Ny fifanampian'ny renin-tsikidy mifanila tsiroaroa ny ahazoana ilay atao hoe "tera-tsikidy", izany hoe azo avy fampifanampiana an-kandrina tsiroaroa ireo tsanganana valon'ny renin-tsikidy no ahazoana azy. Amin'izany dia ny loha atambatra amin'ny loha, ny tratra amin'ny tratra, sns. Raha ankasa ny isa azo (izany hoe 2 na 4) dia tsorina ho voa roa ny vokatra azo ny farany, fa raha tsy ankasa (izany hoe 3) dia tsorina ho voa tokana.

Fahazoana ny tsanganan-tsikidy laharana tsy ankasa[hanova | hanova ny fango]

Ny fanakambanana ny Tale sy ny Maly no manome ny Lalana (faha-15); ny fanakambanana ny Fahatelo sy ny Bilady no manome ny Asorotà (faha-13); atambatra ny Fianahana sy ny Abily mba hahazoana ny Haja (faha-11). Akambana ny Alisay sy ny Fahavalo mba hahazoana ny Fahasivy (faha-9).

Fahazoana ny tsanganan-tsikidy laharana ankasa[hanova | hanova ny fango]

Atambatra ny tsanganana Asorotà sy Lalana dia ahazoana ny tsanganana Tovolahy (faha-14). Atambatra ny tsanganana Fahasivy sy Haja ka manome ny tsanganana Ombiasa (faha-10). Akambana ny tsanganana Ombiasa sy Tovolahy mba hahazoana ny tsanganana Zanahary (faha-12). Akambana ny tsanganana Zanahary sy Tale mba hahazoana ny tsanganana Trano na Kiba (faha-16).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]