Fianahana (sikidy)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fianahana, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahadimy, iray amin'ny tsanganan-tsikidy enina ambin'ny folo, izay apetraka any amin'ny farany ambony, isan'ireo atao hoe renin-tsikidy, izay matetika tsy alahatra ho hita maso fa ao an-tsain'ny mpisikidy, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (ny Tale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny lohan'ireo tsanganan-tsikidy ireo. Ny tsanganan-tsikidy manarakaraka azy dia ny ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary nyTranona Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy. Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Fianahana misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Fianahana dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Aorian'ny fahazoana ny Bilady no ahazoana ny Fianahana: Tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa mijery marindrano ny tsanganam-boan-tsikidy efa misy rahateo ka ny lohan'ny Tale no lohany, ny lohan'ny Maly no tratrany, ny lohan'ny Fahatelo no vaniany ary ny lohan'ny Bilady no tongony.

Ny Fianahana dia anarana iantsoana ny "zanaka" amin'ny sikidy malagasy. Io no anjara asa fahadimy amin'ny sikidy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny mombamomba ny "zanaka".

Ny fampifanampiana ny soratry ny Fianahana sy ny an'ny Abily no ahazoana ny soratry ny Haja (faha-11).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsanganan-tsikidy[hanova | hanova ny fango]