Hankany amin'ny vontoatiny

Tsaramaso

Avy amin'i Wikipedia
Tsaramaso mandady miakara

Ny tsaramaso dia karazan-javamaniry maniry isan-taona, ao amin' ny fianakaviana Fabaceae (Leguminosae, Papilionaceae), izay antsoina amin' ny anarana siantifika hoe Phaseolus vulgaris L.. Volena hahazoana voany hatao laoka izy io. Azo hanina miaraka amin' ny hodiny ny voany raha mbola tena maitso fa ny voany tsy misy hodiny ihany, izay misy prôteinina betsaka, no azo hanina rehefa maina. Any Amerika Afovoany sy any Amerika Atsimo no fiavian' ny tsaramaso. Mandray anjara betsaka amin' ny sakafon' ny olombelona izy io noho ny fananany tavolo sy prôteinina betsaka sady ahafahana mihazona ny azôta ao amin' ny tenan' ny olombelona. Indreto koa ny anarana hafa amin' ny teny malagasy: kilojy, kimesamesa, voatelo, zarikao.

Fanoritsoritana

[hanova | hanova ny fango]
Tsaramaso miolokolika amin ny tohana

Zavamaniry ahitra ny tsaramaso ary ny miendrika varingarina sy misy sampana maromaro ny tahony. Mitsangana izy io raha zeny (fohy) nefa miolikolika amin' ny tohana misy azy ny ovan-karazana mianika.

Vonin' ny tsaramaso

Mifandimby ny raviny izay foronin' ny zanapelan-dravina telo, mibikana atody na miraefadafy, ary tendrony dia maranitra misy kirany miseho tsara miendrika volom-borona. Izy ireo no miantoka ny fanavana fôtôsentezy.

Vonin' ny tsaramaso

Ny fananahan' ny tsaramaso dia amin' ny alalan' ny famindrana vovobony tsy mila famindrana vovobony (eo amin' ny foto-tsaramaso tokana ny lahimbony sy vavimbony izay ao amin' ny voniny tsirairay), na dia mety hisy koa ny famindrana vovobony avy amin' ny foto-tsaramaso hafa. Ny vonin' ny tsaramaso dia matetika miendrika elatry ny lolo (papiliônasea), ahitana lahimbony sy vavimbony miaraka. Mikloko fotsy, mavokely, na volomparasy ny felambony amin' ny ankapobeny, ary mitambatra ho vondrom-bony mipoitra eo am-poto-dravina.

Voan-tsaramaso fotsy
Pepan-tsaramaso

Ny voany dia pepa lava, mahitsy na miolika, izay misokatra amin' ny fahamatoiny rehefa maina, misy vihim-boa maromaro milahatra manaraka ny andavany, manana halava mirefy de 0,5 hatramin' ny 2 sm arakaraka ny ovan-karazany. Ireo vihim-boa ireo (izay atao hoe voan-tsaramaso na tsaramaso fotsiny), dia miendrika voa (taovam-biby) lavalava na miendrika atody, miovaova ny habeny sy ny lokony (fotsy, mainty, volontany, mena, fotsy misy pentipentina na mena misy pentipentina), ary manana ravin-tsimoka nofosana roa izay betsaka tavolo sy prôteinina ary lipida hamelona ny tsimoka mandritra ny fitsimohany.

Ny tsaramaso dia manana rafi-paka misandrahaka ary somary marivo. Fohy ny fakabeny nefa arahan' ny fakany madinika maro izay miantoka ny fitrohana rano sy sira mineraly. Ireo faka ireo dia misy bokona izay mitahiry bakteria miara-miaina amin' ny tsaramaso , ao amin' ny vondron-karazana bakteria Rhizobium, izay mamikitra ny azôta ao amin' ny rivotra, ka mahabe azôta an' ilay zavamaniry sy mandonaka ny tany.

Atao sakafo

[hanova | hanova ny fango]
Voan-taramaso mainty
Voan-tsaramaso mena

Misy fomba roa ny fihinanana ny voany: raha mbola tanora izy dia azo andrahoina miaraka amin' ny hodiny (pepany), raha efa matoy ny voany lena na maina ka efa mafy ny pepany dia andrahoina tsy aman-kodiny ny tsaramaso. Somary mavesatra ny tsaramaso rehefa hanina ka mahazatra ny olona ny manisy siramamy kely rehefa mahandro izany.

Voan-tsaramaso lena miaraka amin' ny hodiny

Misy rano 90 % sy gliosida 7 % sy prôteinina 1 % ary misy tavy amin' ny fatra azo tsinontsinoavina ny tsaramaso maitso manta. Ny tsaramaso maitso manta 100 grama dia manome 36 kalôria eo ho eo sy loharanon' ny vitaminina K (41 % DV: 20 % na mihoatra amin' ny US Daily Value, DV) ary loharano antonony amin' ny vitaminina C sy vitaminina B6 ary manganezy (10–19 % DV). Misy rano 63 % sy gliosida 25 % ary prôinina 10 % ary misy tavy kely ny Ny tsaramaso fotsy maina rehefa avy mangotraka. Ny tsaramaso fotsy masaka 100 grama dia manome 139 kalôria eo ho eo ary loharano manankarena amin' ny fôata sy manganezy, miaraka amin' ny tiaminina antonony sy mineraly maromaro ho an' ny sakafo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]