Hankany amin'ny vontoatiny

Vigna subterranea

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Voanjobory)
Foto-boanjobory

Ny voanjobory na Vigna subterranea dia karazan-javamaniry ao amin' ny fianakavian-javamaniry Fabaceae[1]. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe kipopoka, voahomitohy, voanjo, voanjobory, voanjomanga ary voanjovory. Mandevina ny voany any ambanin' ny tany toy ny voanjo (Arachis hypogaea) ny voanjobory.

Indreto ny anarany ara-tsiansa teo aloha:

  • Glycine subterranea L.
  • Voandzeia subterranea (L.) Thouars ex DC.

Fambolena

[hanova | hanova ny fango]

Avy any Afrika Andrefana ity zavamaniry ity. Amin' ny maha sakafo sy loharanon-karena ny voanjobory dia heverina ho ny voamaina fahatelo manan-danja indrindra any amin' ny firenena afrikanina izay ambolena azy, aorian' ny voanjo sy ny voanemba. Ny vehivavy no misahana ny fambolena sy ny fivarotana ary ny fanodinana azy, ka noho izany dia sarobidy indrindra ho an' ny vehivavy tantsaha izay manao azy ho voly fihinana izy io.

Voanjobory

Voamaina fahatelo manan-danja indrindra aty Afrika manana toetany somary maina ny voanjobory. Mahatohitra hafanana ambony izy io ary mety amin' ny tany tsy ahafahan' ny voamaina hafa maniry. Tsy dia misy fiantraikany firy amin' ny tontolo iainana ny fambolena azy io. Fantatra amin' ny fahafahany manatsara ny tany noho ny famikirany azôta ny taova rehetra eny amin' ilay zavamaniry.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]
Voan' ny vonjobory

Azo hanina mbola lena na andrahoina aorian' ny fanamainana ny voany ny voanjobory, ary azo totoina na lena na maina hanaovana koba. Manana sanda mahavelona ny voanjobory: gliosida (karbôhidrata) 57,9% hatramin' ny 64% sy prôteinina 24,0% hatramin' ny 25,5%. Raha ampitahaina, ny sôza (Glycine max) sy ny tsiasisa (Cicer ariteneum) dia manana gliosida 27 % sy 61 %.

Singa bitika Fatrany
Sôdiôma (mg) 0,90 – 25,20
Pôtasiôma (mg) 308,40 – 2 200,00
Fôsfôro (mg) 173,97 – 563,00
Kalsiôma (mg) 0,39 – 76,01
Maneziôma (mg) 124,99 – 555,10
Vy (mg) 11,38 – 149,50
Fanitso (mg) 2,14 – 19,73

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Blench, Roger. "The Austronesians in Madagascar and Their Interaction with the Bantu of the East African Coast: surveying the Linguistic Evidence for Domestic and Translocated Animals". Studies in Philippine Languages and Cultures, Volume 18 (2008), 18–43.