Azôta

Avy amin'i Wikipedia

Ny azôta na nitrôzenina dia singa simika mitondra ny isa atômika 7, eva N (avy amin' ny teny latina hoe nitrogenium). Izy no lohalaharana ao amin' ny vondron' ny pniktôzenina. Amin' ny fiteny andavanandro, ny teny hoe azôta dia manondro ny singa tsotra N2 (dinitrôzenina na diazôta), izay singa fototra ao amin' ny atmôsferan' ny Tany, misahana ny 4/5 amin' ny rivotra (78,06 %, amin' ny habeny). Ny azôta no singa faha-34 mandrafitra ny hoditry ny Tany araka ny habetsahany. Ny mineraly misy azôta, amin' ny ankapobeny, dia ny nitrata, indrindra ny nitratana pôtasiôma KNO3 na nitra, izay nampiasaina hatramin' ny faran' ny taonjato faha-19 mba hanaovana vanja (miloko mainty), sy ny nitratana sôdiôma NaNO3. Ny azôta dia misy fampiasana azy maro amin' ny famokarana indostrialy. Amin' ny ankapobeny dia ampiasaina betsaka hanamboarana zezika izy amin' ny fambolena indostrialy (amin' ny endrika fangaro misy amôniôma), ka amin' izao fotoana izao dia io no tena fampiasana azy eran' izao tontolo izao, izay miteraka fandotoana ny tontolo iainana.