Maly (sikidy)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Maly, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy faharoa, iray amin'ny tsanganan-tsikidy enina ambin'ny folo, izay apetraka any amin'ny farany ambony sy laharana faharoa farany avy ankavanan'ny fàfana itambaran'ny tsanganan-tsikidy rehetra. Isan'ireo atao hoe renin-tsikidy ny Maly, ka ny tsanganana, izay samy renin-tsikidy, eo alohany (ankavanana) dia ny Tale, ary ny hafa manarakarala azy (eo ankavia) dia ny Fahatelo, ny Bilady, ny Fianahana, ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano na Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy.

Fanokoana ny Maly[hanova | hanova ny fango]

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Maly ka misy "lohany" sy "tratrany" sy "vaniany" ary "tongony". Ny Maly dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Aorian'ny fahazoana ny Tale no ahazoana ny Maly: Manao tokom-boan-tsikidy efatra ny mpisikidy. Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ny tokom-boan-tsikidy voalohany, dia alainy izay voa sisa (tokana na roa) ka apetrany eo ankavanan'ny lohan'ny Tale mba hamoronany ny lohan'ny Maly. Ampihariny amin'ny tokom-boan-tsikidy faharoa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny tratran'ny Maly izay apetrany eo ambanin'ny tratrany. Ampiharina fanintelony amin'ny toko manaraka indray izany mba hahazoana ny vaniany. Ampihariny amin'ny tokom-boan-tsikidy fahefatra farany dia azo ny tongotry ny Maly.

Hevitry ny hoe Maly[hanova | hanova ny fango]

Ny Maly dia anarana iantsoana ny "harena" amin'ny sikidy. Io no anjara asa faharoa ao amin'ny tsanganan-tsikidy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny mombamomba ny fihrian-karen'ny "mpanontany".

Ny vokatry ny fanakambanana ny Maly[hanova | hanova ny fango]

Ny fanakambanana ny lohan'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fianahana. Ny fanakambanana ny tratran'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Abily. Ny fanakambanana ny vanian'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Alisay. Ny fanakambanana ny tongotry ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fahavalo. Ny fampifanampiana soratry ny Tale sy ny an'ny Maly no ahazoana ny soratry ny Lalana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsanganan-tsikidy[hanova | hanova ny fango]