Fahavalo (sikidy)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fahavalo, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahavalo, mipetraka eny amin'ny fàfana farany ambony, isan'ireo atao hoe renin-tsikidy, izay matetika tsy alahatra ho hita maso fa ao an-tsain'ny mpisikidy fotsiny, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (nyTale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy ireo. Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Fahavalo, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Fahavalo dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Aorian'ny fahazoana ny Alisay no ahazoana ny Fahavalo: Tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa mijery marindrano ny tsanganam-boan-tsikidy efa misy rahateo, ka ny tongotry ny Tale no lohany, ny tongotry ny Maly no tratrany, ny tongotry ny Fahatelo no vaniany ary ny tongotry ny Bilady no tongony.

Ny fampifanampiana ny soratry ny Alisay sy ny an'ny Fahavalo no hahazoana ny soratry ny Fahasivy (faha-9) izay isan'ireo atao hoe tera-tsikidy.

Ny Fahavalo dia anarana iantsoana ny ny rafy na ny mpifanandrina amin'ny tena, amin'ny sikidy malagasy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsanganan-tsikidy[hanova | hanova ny fango]