Bilady

Avy amin'i Wikipedia

Ny Bilady, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahefatra, iray amin'ny tsanganan-tsikidy enina ambin'ny folo, izay apetraka any amin'ny farany ambony sy laharana fahefatra avy ankavanana ao amin'ny fàfana itambaran'ny tsanganan-tsikidy rehetra. Isan'ireo atao hoe renin-tsikidy ny Bilady, ka ny tsanganana, izay samy renin-tsikidy, eo alohany dia ny Tale sy ny Maly ary ny Fahatelo ary ny hafa manarakarala azy dia ny Fianahana, ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Tranona Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy. Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Bilady misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Bilady dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Fahazoana ny tsanganana Bilady[hanova | hanova ny fango]

Aorian'ny fahazoana ny Fahatelo no ahazoana ny Bilady: Manao tokom-boan-tsikidy efatra ny mpisikidy. Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ny tokom-boan-tsikidy voalohany, dia alainy izay voa sisa (tokana na roa) ka apetrany eo ankavanan'ny lohan'ny Fahateolo mba hamoronany ny lohan'ny Bilady. Ampihariny amin'ny tokom-boan-tsikidy faharoa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny tratran'ny Fahatelo izay apetrany eo ambanin'ny tratrany. Ampiharina fanintelony amin'ny toko manaraka indray izany mba hahazoana ny vaniany. Ampihariny amin'ny tokom-boan-tsikidy fahefatra farany dia azo ny tongotry ny Bilady.

Fanakambanana ny Bilady amin'ny tsanganana hafa[hanova | hanova ny fango]

Ny fanakambanana ny lohan'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsangananaFianahana. Ny fanakambanana ny tratran'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Abily. Ny fanakambanana ny vanian'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Alisay. Ny fanakambanana ny tongotry ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahateloary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fahavalo. Ny fampifanampiana soratry ny Tale sy ny an'ny Maly no ahazoana ny soratry ny Lalana.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Avy amin'ny teny arabo hoe بلاد / balad (milaza tokana) sy بلاد / bilād (milaza maro), izay midika hoe "tanàna" na "faritra" na "tany" na "firenena", ny hoe Bilady. Hita ao amin'ny andian-teny hoe بلاد الشام / Bilad el-Cham (vakina hoe bilad ush-Sham, midika hoe "tany any avaratra", maniondro an'i Siria sy i Libàna), na ao amin'ny hoe بلاد الرافدين / bilād ar-rāfidayn (midika hoe "firenen'ny ony roa", Tigrisy na Tigra sy Eofrata), na ao amin'ny hoe بلاد السودان / bilād as-sūdān (midika hoe "tanin'ny mainty", fiavian'ny anaran'i Sodàna), sy ny maro hafa.

Hevitra omena ny Bilady[hanova | hanova ny fango]

Ny Bilady dia anarana iantsoana ny tany na ny toeram-ponenana, amin'ny sikidy malagasy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsanganan-tsikidy[hanova | hanova ny fango]