Tera-tsikidy

Avy amin'i Wikipedia

Ny tera-tsikidy, ao amin'ny sikidy malagasy, dia ireo tsanganan-tsikidy azo avy amin'ny fanakambanana na fampivadiana an-tsaina tsiroaroa ny tsanganan-tsikidy efa misy rahateo, ka ny akambana voalohany dia ireo atao hoe "renin-tsikidy" izay ahitana tsanganana valo. Mba hahazoana ny tera-tsikidy dia atambatra ny samy lohan-tsikidy, atambatra ny samy tratrany, atambatra ny samy vaniany ary atambatra ny samy tongony. Raha ankasa ny isa azo (izany hoe 2 na 4) dia tsorina ho voa roa amin'ny farany ny fanambarana, fa raha tsy ankasa (izany hoe 3) dia tsorina ho voa tokana.

Ny tsanganan-tsikidy manana laharana tsy ankasa (faha-15, faha-13, faha-11 ary faha-9) no azo voalohany amin'ny alalan'ny fampifanampiana ny tsangananan-drenin-tsikidy. Ny azo manaraka amin'ny alalan'ny fampifanampiana ireo tsangana-tera-tsikidy vao azo teo dia ireo manana laharana ankasa (faha-14, faha-10, faha-12, faha-16).

Fahazoana ny tera-tsikidy[hanova | hanova ny fango]

Tsanganan-tsikidy manana laharana tsy ankasa[hanova | hanova ny fango]

Atambatra na "ampifanambadina" ny voan-tsikidy iray andalana ao amin'ny tsanganana mifanakaiky. Ny fanakambanana ny Tale (renin-tsikidy) sy ny Maly (renin-tsikidy) no manome ny Lalana (faha-15); ny fanakambanana ny Fahatelo (renin-tsikidy) sy ny Bilady (renin-tsikidy) no manome ny Asorotà (faha-13); atambatra ny Fianahana (renin-tsikidy) sy ny Abily (renin-tsikidy) mba hahazoana ny Haja (faha-11). Akambana ny Alisay (renin-tsikidy) sy ny Fahavalo (renin-tsikidy) mba hahazoana ny Fahasivy (faha-9).

Tsanganan-tsikidy manana laharana ankasa[hanova | hanova ny fango]

Atambatra ny tsanganana Asorotà sy Lalana dia ahazoana ny tsanganana Tovolahy (faha-14). Atambatra ny tsanganana Fahasivy sy Haja ka manome ny tsanganana Ombiasa (faha-12). Akambana ny tsanganana Ombiasa sy Tovolahy mba hahazoana ny tsanganana Zanahary (faha-12). Atambatra ny tsanganana Zanahary sy Tale (renin-tsikidy) mba hahazoana ny tsanganana Trano na Kiba (faha-16).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]