Fany (zavamaniry)
Fiseho

Ny fany na fano dia zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Mimosaceae na Fabaceae (zana-pianakaviana Mimosoideae). Sahala amin' ny akasia izy io, fanamboarana zava-maneno toy ny lokanga, ny voany dia matetika ampiasain' ny Malagasy amin' ny sikidy. Heverina fa hazo masina izy, ka matetika nambolena tamin' ny toeram-ponenan' ny mpanjaka. Roa ny karazana ny zavamaniry antsoina amin' io anarana hoe "fano" na "fany" io, dia ny Entada chrysostachys sy ny Entada africana.