Nader Shah

Avy amin'i Wikipedia
Nader Shah

I Nader Shah na dia shahanshah an' i Iràna ary mpanorina ny tarana-mpanjaka Afsarida. Nanjaka izy nanomboka tamin' ny taona 1736 ka hatramin' ny nahafatesany. Malaza indrindra noho ny fandreseny amin' ny fakan-tany izy. Nantsoina hoe "Napoléon iraniana" izy tatỳ aoriana.  Teraka tamin' ny 22 Ôktôbra 1688 ary maty ny tamin' ny 19 Jona 1747 izy.

Atao amin' ny teny persana hoe نادرشاه / Nâder-Šâh izy, fa ny tena anarany dia Nader Khan Qirqlu Afchar (amin' ny teny persana: نادر خان افشار). Atao hoe Nader Shah Afshar (نادر شاه افشار;) na  Nader Qoli Beyg ( نادر قلی بیگ ) na Tahmāsp Qoli Khan ( تهماسب قلی خان).

I Nader Shah Afshar no mpanorina ny tarana-mpanjaka Afsarida tany Iràna ary iray amin' ny mpitondra natanjaka indrindra teo amin' ny tantaran' i Iràna, nanjaka tamin' ny maha shah an' i Iràna (na Persia) azy nanomboka tamin' ny taona 1736 ka hatramin' ny 1747, taona namonoana azy nandritra ny fikomiana.

Nanatanteraka ady mitety faritra imbetsaka nanerana ny Afovoany Atsinanana, ny faritr' i Kaokazy, ny faritr' i Azia Afovoany, ary ny faritr' i Azia Atsimo izy, ka isan' izany ny ady tao Herat, Mihmandust, Murche-Khort, Kirkuk, Yeghevārd, Khyber Pass, Karnal, ary Kars. Noho ny fahaizany ara-tafika, ny mpahay tantara sasany dia nanoritsoritra azy ho i "Napoléon an' i Persia", na ny "Sabatr' i Persia", na "Aleksandra Faharoa". I Nader dia isan' ny Afsara torkômana, izay foko mpifidrafidra monina ampahany nonina tao Khorasan any avaratra-atsinanana amin' i Iràna, izay nanome hery ara-tafika ny tarana-mpanjaka Safavida hatramin' ny andron' ny shah Ismail I.

Niakatra teo amin' ny fitondrana i Nader nandritra ny fotoana nisian' ny korontana tao Iràna taorian' ny fikomiana nataon' ny Pastona Hôtaky nanonganana ny shah malemy atao hoe Soltan Hoseyn, raha ny fahavalon' ny Safavida, ny Ôtômana, sy ny Rosiana kosa naka ny tanin' i Iràna. Nampitambatra indray ny tanim-piren' i Iràna i Nader ary nandroaka ny mpanani-bohitra. Lasa natanjaka be izy ka nanapa-kevitra ny hanongana ny ireo sisa farany tamin' ny tarana-mpanjaka Safavida, izay nitondra an' i Iràna nandritra ny 200 taona mahery, ary lasa shah i Nader tamin' ny taona 1736. Ny fitetezana ady maro nataony dia nahaforona empira lehibe izay, tamin' ny fara fiitarany indrindra, nandrakotra vetivety amin' ny ampahany na manontolo an' i Iràna amin' izao fotoana izao, Armenia, Azerbaijàna, Jeôrjia, Kaokazy Avaratra, Iràka, Torkia, Torkmenistàna, Afganistàna, Ozbekistàna, Bareina, Pakistàna, Ômàna, ary ny Hoala Persika, saingy nisy vokany ratsy teo amin' ny toekarena iraniana ny fandaniana ara-tafika nataony.

I Nader dia nanompo toy ny andriamanira an' i Genghis Khan sy Timur, izay mpanita-panjakana tamin' ny alalan' ny fanafihana teo aloha avy any Azia Afovoany. Naka tahaka ny fahaizan' izy ireo ara-tafika izy ary — indrindra fa tamin' ny fotoana nanjakany — ny habibian' izy ireo. Ny fandreseny nandritra ny fanafihany mitety tany dia nahatonga azy ho mpanjaka natanjaka indrindra tany Azia Andrefana, izay nanjaka tamin' izay azo lazaina ho fanjakana matanjaka indrindra eran' izao tontolo izao, saingy rava haingana ny fanjakany sy ny tarana-mpanjaka naoriny taorian' ny namonoana azy tamin' ny taona 1747. Ny kihon-dalana teo amin' ny raharaha naha miaramila azy dia nanomboka tamin' ny ady mitety faritra faharoa sy fahatelo nataony tamin' ny Lezgiana nikomy tamin' izany fotoana izany, ary koa ireo foko hafa nikomy tao Dagestana any amin' ny tapany avaratra-andrefana amin' ny faritra misy azy. I Nader Shah dia notantaraina ho ny "Aziatika mpandresy lehibe indrindra farany amin' ny mpanita-panjakana amin’ ny alalan’ ny tafika".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]