Fiteny soahily: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Ji-Elle (dinika | fandraisan'anjara)
+vidéo Wikitongues
Andalana faha-1: Andalana faha-1:
[[Sary:Zone swahili.jpg|200px|ankavanana|saritan'ny [[firenena]] miteny soahily]]
{{infobox fiteny
{{infobox fiteny
|fiteny=Soahily<br>Kiswahili
|fiteny=Soahily<br>Kiswahili
Andalana faha-6: Andalana faha-5:
|isan'ny mpiteny=50 tapitrisa ([[Teny nibeazana|L1]]+[[Teny nianarana|L2]])
|isan'ny mpiteny=50 tapitrisa ([[Teny nibeazana|L1]]+[[Teny nianarana|L2]])
}}
}}
[[Sary:Zone swahili.jpg|200px|ankavanana|saritan'ny [[firenena]] miteny soahily]]

[[Sary:WIKITONGUES- Iddy speaking Swahili.webm|thumb|Soahily.]]
Ny '''fiteny soahily''' (amin'ny fiteny soahily: ''kiswahili'') dia [[fiteny]] ao amin'ny vondrom-piteny [[Fiteny banto|bantoa]] izay tenenina eo amin'ny [[faritra atsinanan'i Afrika]], izay manafangaro teny afrikanina sy [[fiteny arabo]].
Ny '''fiteny soahily''' (amin'ny fiteny soahily: ''kiswahili'') dia [[fiteny]] ao amin'ny vondrom-piteny [[Fiteny banto|bantoa]] izay tenenina eo amin'ny [[faritra atsinanan'i Afrika]], izay manafangaro teny afrikanina sy [[fiteny arabo]].



Endrik'io pejy io tamin'ny 6 Jiona 2020 à 09:25

Soahily
Kiswahili

Isan'ny mpiteny 50 tapitrisa (L1+L2)
Faritany Afrika Atsinanana
Sata Teny ofisialin'i  Tanzania,  Kenia,  Komaoro,  R.D. Kongo,  Oganda ary ny Vondrona Afrikana
saritan'ny firenena miteny soahily
saritan'ny firenena miteny soahily
Soahily.

Ny fiteny soahily (amin'ny fiteny soahily: kiswahili) dia fiteny ao amin'ny vondrom-piteny bantoa izay tenenina eo amin'ny faritra atsinanan'i Afrika, izay manafangaro teny afrikanina sy fiteny arabo.

Ao amin'ny teny soahily dia ahitana fiovaovàna araka ny faritra. Ny atao hoe "fiteny soahily ofisialy", izay fampiasan'i Kenia ary Tanzania ary any Oganda dia teny soahily "tatsinanana", ary ny teny soahily tenenina any Oganda ary any amin'ny faritra atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, dia azo lazaina fa fiteny soahily tandrefana. Ao Kenia indray dia ahitana ny teny soahily mifangaro amin'ny teny anglisy izay antsoina hoe "sheng". Io fomba fitenenana soahily io dia ampiasain'ny tanora matetika eny amin'ny tanàn-dehibe.

Na dia izany aza, mifankahazo avokoa ireo mpiteny soahily amin'ny alalan'izay teny soahily ofisialy izay.

Tantara

Fiaviana

Ny fiteny soahily ("fitenin'ny olona eo amin'ny amorontsiraka") dia fiteny bantoa manana voambolana maro dia maro avy amin'ny fiteny arabo, noho ny fifandraisann'y mponina tompontany amin'ireo mpivarotra arabo mandalo eo amin'ny amorontsirak'i Zanja (Zanj), misy voambolana avy amin'ny fiteny persana, alemana, portogey, anglisy ary frantsay koa ao amin'ny fiteny soahily.

Ankehitriny ny isan'ny mpiteny soahily dia mahery ny dimampolo tapitrisa izay miparitaka eraky ny faritra atsinanan'i Afrika : i Kenia, Tanzania, ny RDK (tsy teny ofisialy) ary i Komaoro. Teny ofisialy ary tenim-pirenen'ireo firenena ireo ny fiteny soahily. I Oganda, firenena izay manana ny teny anglisy ho teny ofisialy, dia mampianatra fiteny soahily nanomboka tamin'ny taona 1992, ary tamin'ny 2005 ilay fiteny dia lasa nivadika ho fiteny ofisialy, mba hanomanana ny Federasiônan'ny Afrika Atsinanana. Hain'ireo mponina mipetraka ao Komaoro sy Borondỳ ary Roanda ny miteny soahily.

Toerana itenenana soahily

Amin'ny ankapobeny, ny fiteny kisoahily dia fiteny bantò tenenina ao amin'ny faritra afovoany ary atsinanan'i Afrika. Ireo firenena mampiasa azy amin'ny lafiny ofisialy (izany hoe mampiasa ilay fiteny amin'ny lafin'ny fandrindrana na amin'ny lafin'ny fifandraisana amin'ny vahoaka) dia i Tanzania sy i Oganda ary i Kenia. Ampiasaina koa ny fiteny soahily any avaratr'i Mozambika sy amin'ny faritra atsinanan'i Repoblika Demokratikan'i Kongo, fa tsy ofisialy.

Endrika

Feo

Renifeo

Zanapeo

Jereo koa

Rohy ivelany

Lahatsoratra ilaina