Wikipedia:VisualEditor

Avy amin'i Wikipedia

Ny VisualEditor dia fitaovana hahafahana manova ny pejin'i Wikipedia amin'ny alalana mpanova WYSIWYG (what you see is what you get, "izay hitanao eo no hiseho") izay tsy ilàna mahafantatra ny rariteny MediaWiki.

Tsara ho an'ny mpikambana vaovao ny mampiasa ny mpanova WYSIWYG, satria izy ireo mety tsy mbola zatra amin'ny raritenin'ny pejin'i Wikipedia. Noho izany dia vitsy kokoa ny fahaizana ara-teknika ilaina rehefa manova pejy wiki.