Fomba fiasa ara-tantara amam-pitsipiteny
Ny fomba fiasa ara-tantara amam-pitsipiteny na tsikera ara-tantara amam-pitsipiteny dia fomba fiasa hermeneotikan' ny Baiboly kristiana izay miezaka mitady ny hevitry ny mpanoratra Baiboly tany am-boalohany, mitady izay tiany hampitaina amin' ny mpamaky tamin' izany fotoana izany. Ity fomba fiasa ity dia mampiasa, araka izay azo atao, ny zava-misy manodidina ara-tantara nipoiran' ilay lahatsoratra.
Araka ity fomba fiasa ity, raha ifotorana ny famakafakana ny firafitra ara-pitsipiteny ny andalan-teny (miaraka amin' ny fiheverana ny kolontsaina sy ny tantara ary ny karazana literatiora nanoratana azy) dia toa nikasa hampita fitantarana momba ny zava-nitranga tena nisy tokoa ny mpanoratra. Noho izany dia tokony horaisina ho fanehoana ny tantara ny lahatsoratra. Tokony hadika amin' ny fomba ara-tandindona, na amin' ny fomba ara-tononkalo, na amin' ny fanoharana fotsiny ny andalan-tsoratra masina raha araka ny fahatakarana tsara indrindra, izany no heverina fa tian' ny mpanoratra hampitaina amin' ny mpihaino tany am-boalohany. Io no fomba fiasa voalohany anaovana fandikana hevitra raisin' ny mpamakafaka prôtestanta maro, mpitahiry ny nentin-drazana izay mandà ny fomba famakafakana ara-tantara aman-tsikera amin' ny ambaratonga samihafa (avy amin' ny fandavana tanteraka ny famakafakana ara-tantara aman-tsikera, ataon' ny Prôtestanta fôndamentalista sasany, ka hatramin' ny fanekena voalanjalanja azy io ao amin' ny Eglizy katôlika rômana hatramin' ny taratasy ensiklika Divino afflante Spiritu), izay mifanohitra amin' ny fiankinan-doha be loatra amin' ny famakafakana ara-tantara aman-tsikera amin' ny fandalinana ny Baiboly eo amin' ny ambaratonga akademika.
Nipoitra tao anatin' ny Andron' ny Fahazavana (anglisy: Age of Enlightenment; frantsay: siècle des Lumières) tany amin' ny Tontolo Tandrefana ny fomba fiasa ara-tantara amam-pitsipiteny. Talohan' izany dia nirona amin' ny fanantitranterana ny hevitra efatry ny Soratra Masina ny kristianisma tamin' ny Andro Antenatenany: ara-bakiteny, ara-panoharana, ara-môraly ary anagôzika; na izany aza, ny fandikana dia apetraka ambany fahefan' ny toniam-pampianaran' ny Fiangonana. Ny dingana izorana amin' ny famaritana ny hevitry ny lahatsoratra tany am-boalohany dia amin' ny alalan' ny fandinihana ny lafiny ara-pitsipiteny sy araka ny fandrafetana fehezanteny, ny zava-misy manodidina ara-tantara, ny karazana literatiora ary koa ny fiheverana teôlôjika (kanônika). Na dia tsy misy ny hermeneotika kristiana ôrtôdôksa tatsinanana dia mirona amin' ny famakiana ara-panahy sy ara-panoharana ny Baiboly ny manam-pahaizana ôrtôdôksa, sady mijery ny hevitra avy amin' ny Rain' ny Fiangonana sy ny lovam-pampianaran' ny Fiangonana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Famakafakana ara-tantara aman-tsikera
- Famakafakana kanônika
- Famakafakana lahatsoratra
- Fitsikerana endrika
- Fitsikerana ny fampandriana an-tsoratra
- Fitsikerana loharano
- Fitsikerana loharano (ampiharina amin' ny Baiboly)
- Hevitra efatry ny Soratra Masina
- Fomba fiasa ara-tantara amam-pitsipiteny
- Fitsikerana lahatsoratra