Fitsikerana loharano (ampiharina amin' ny Baiboly)

Avy amin'i Wikipedia

Ny fitsikerana loharano, amin' ny famakafakana ny Baiboly, dia manondro ny fiezahana hametraka ny loharano ampiasain' ny mpanoratra sy mpamoaka lahatsoratra (mpampandry an-tsoratra) ao amin' ny Baiboly. Tamin' ny taonjato faha-18 no niandohany tamin' ny asasoratr' i Jean Astruc, izay nampifanaraka ny fomba fiasa maro efa novolavolaina teo aloha hanadihadiana ny lahatsoratra tamin' ny Andro Taloha (indrindra fa ny Ἰλιάς / Iliás nosoratan' i Hômera, atao hoe Illiade) ho amin' ny fanadihadiana nataony manokana momba ny loharanon' ny Bokin' ny Genesisy. Avy eo dia nampandrosoin' ny manam-pahaizana alemàna izy io tao amin' ny atao hoe "fitsikerana ambony kokoa", teny tsy ampiasaina firy intsony. Ny tena tanjon' ireo manam-pahaizana ireo dia ny hamerina indray ny tantaran' ny lahatsoratry ny Baiboly sy ny tantara ara-pivavahan' i Isiraely tamin' ny Andro Taloha.

Ny fitsikerana loharano dia fandalinana hentitra natao mba hahafantarana ny loharano samihafa izay nahafahan' ny mpanoratra nanoratra ny lahatsoratra na, araka ny famaritana mivelatra kokoa, fandinihana loharano, toy ny lahatsoratra, ny tahirin-kevitra an-tsary masina na an-tsoratsokitra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]