Fitsikerana lahatsoratra

Avy amin'i Wikipedia

Ny fisikerana lahatsoratra dia siansa eo am-pihaonan' ny tantara, ny filôlôjia, ny fitsikerana haisoratra ary ny literatiora, izay mandalina ny fampandriana an-tsoratra sy ny toe-javatra nisy ny fampandriana an-tsoratra, ary koa ny lovantsofin' ny lahatsoratra tranainy hatra aty amintsika. Taranja ao amin' ny fandalinana lahatsoratra izy nefa miavaka amin' ny fitsikeran-doharano (fandalinana hentitra natao mba hahafantarana ny loharano samihafa izay nahafahan' ny mpanoratra nanoratra ny lahatsoratra na, araka ny famaritana mivelatra kokoa, fandinihana loharano, toy ny lahatsoratra, ny tahirin-kevitra an-tsary masina na an-tsoratsokitra).

Antsoina koa hoe "tsikera famerenana amin' ny laoniny" ny tsikera lahasoratra izay hetsika mikendry ny hamerenana indray, araka ny filazana azo avy amin' ny vavolombelona mbola ananana, ​​ny vontoaty voalohan' ny lahatsoratra, endriky ny asasoratra. Ahitana karazana asa roa miavaka izy, dia ny tsikera ivelany sy ny tsikera anatiny.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]