Fiteny koaniama

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny koaniama na ôsikoaniama dia fiteny ôfisialy ao Angôla sy ao Namibia. Fitenim-paritra nampanarahim-penitra avy amin' ny fiteny ôsivambô izy ary ny mpiteny azy dia mifankahazo fiteny amin' ny mpiteny ndônga (na osidônga), ilay hany fitenim-paritra ôsivambô manana endrika soratana manara-penitra.

Nadika ho amin’ ny teny koaniama ny Baiboly kristiana manontolo ary navoakan' ny nataon’ ny South African Bible Society ("Fikambanana Mampiely Baiboly any Afrika Atsimo") voalohany tamin’ ny taona 1974 tamin’ ny anarana hoe Ombibeli. Namoaka ny Soratra Grika Kristianina (izany hoe ny Testamenta Vaovao) amin' ny teny koaniama ny Vavolombelon' i Jehovah tamin' ny taona 2019, natao pirinty sy azo vakina an-tranonkala.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]