Fiteny ôvambô

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny ôvambô dia vondrom-pitenim-paritra banto ampiasain' ny vahoaka ôvambô any amin' ny tapany atsimo amin' i Angôla sy any amin' ny tapany avaratra amin' i Namibia, ka ny fiteny soratana dia ny fitenim-paritra koaniama sy ny fitenim-paritra ndônga. Atao hoe fiteny ôsivambo na ôsioambô koa ity fiteny ity, izay enti-manondro indrindra fitenim-paritra koaniama sy ny fitenim-paritra ndônga ihany koa. Io no fiteny be mpampiasa indrindra any Namibia, indrindra fa ao amin' ireo Ôvambô.

Mifandray akaiky amin’ ny fitenin' ny Hererô sy ny an' ny Himba (fiteny hererô na ôtjihererô) ity fiteny ity. Ny mari-pamantarana miharihary eo amin' ny maha mifakaiky azy ireo dia ny tovona ampiasaina amin' ny anaran' ny fiteny sy ny fitenim-paritra, avy amin' ny prôtô-banto *ki- (kilasy faha-7, toy ny hita amin' ny anaran' ny fiteny soahily, kiswahili), izay nivoatra ao amin' ny fiteny hererô dia hka lasa otji- ary amin' ny fiteny ôvambô ho lasa lavitra kokoa hoe oshi-.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]