Hererô (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy hererô, any Windhoek, Namibia.

Ny Hererô dia vahoaka tompontany ao amin' ny faritra atsimo ao Afrika, ao amin' ny vondrom-poko ara-piteny banto, miteny hererô, izay misy olona 320 000 eo ho eo amin' izao fotoana izao.

Ny ankamaroan' izy ireo dia mipetraka any Namibia, ary misy vondrona vitsivitsy any Bôtsoana, izay misahana asa tsy ilana fari-pahaizana loatra toy ny mpiasa amin' ny fambolena any ambanivohitra, na ho mpiasa antrano na mpivarotra amoron-dalana any an-tanàn-dehibe. Any Angôla dia misy vondrona vitsivitsy mitovy amin' ny Hererô, vitsivitsy, izay miaina amin' ny fomba nentim-paharazan' ny mpiompy andiam-biby.

Ny jeneraly Lothar von Trotha

Tamin' ny taona 1904 dia nitsangana nanohitra ny fanjanahan' ny Alemàna ny taniny ny Hererô. Niharan' ny famoretana mahery vaika notarihin' ny jeneraly Lothar von Trotha. Ity jeneraly ity dia namoaka didy famongorana ny Hererô, izany dia nahatonga ny fandripahana ny Hererô. Noho izany, teo anelanelan’ ny taona 1904 sy 1911 dia nihena 80 000 hatramin’ ny 150 000 ny isan' ny Hererô ao Afrika Atsimo Andrefana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]