Ôvambô (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Lehilahy ôvambô

Ny Ôvambô (Ovambo) dia vondrom-poko banto tompontany amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika, indrindra ao Namibia. Izy ireo no vondrom-poko tokana lehibe indrindra ao Namibia, izay mahatratra ny antsasaky ny isan' ny mponina ao amin' io firenebna io. Atao hoe Aawambo, Ambo, Aawambo, na Ovawambo koa izy ireo.

Na dia nisy ny ezaka niraisan’ ny misiônera kristiana mba hamongorana izay noheverina ho "fanaon' ny mpanompo sampy" (paganisma), nitazona lafin-javatra maro amin' ny fanaony ara-kolontsaina izy ireo. Hita any amin' ny Faritanin' i Cunene any amin' ny tapany atsimon' i Angôla ihany koa izy ireo, ka antsoina matetika amin' ny hoe "Ambo".

Ny Ôvambô dia ahitana foko banto maromaro izay monina ao amin' ilay antsoina hoe Ovamboland taloha. Any Angôla dia vitsy anisa izy ireo, izay eo amin' ny 2 % amin' ny mponina ao Angôla.

Manodidina ny 2 tapitrisa eo ny Ôvambô, ary Loterana (97 %) ny ankamaroany fa vitsy kosa ny mitazona ny finoana nentim-paharazana (3 %).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]