Fiteny ndônga

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny ndônga dia fiteny banto ampiasaina ao Namibia sy ao atsimo amin' i Angôla. Manakaiky ny fiteny koaniama ity fiteny ity ary misy mpiteny miisa 807 000 any Namibia tamin' ny taona 2006 ary maherin' ny 263 000 tany Angôla tamin' ny 2000. Indraindray dia antsoina hoe fiteny ôsivambô na ôtjivambô na ôvambô izay manondro ny vondrona misy azy ity fiteny ity.

Nandika ny Baiboly amin’ ny teny ndônga ny misiônera finoà (loterana) antsoina hoe Martti Rautanen; nanoratra tononkalo sy fihirana tamin' io fiteny io koa izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]