Fiteny kikôngô
Aller à la navigation
Aller à la recherche

Vehivavy kôngô (Afrika Afovoany) tamin' ny taona 1910.
Ny fiteny kikôngô dia fiteny banto tenenin' ireo Kôngô (Bakôngô amin' ny teny kikôngô) monina any Angôla (ao amin' ny tapany avaratra sy ao Cabinda), any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (ao amin' ny faritanin' i Kongo Central sy ao Kinshasa), any amin' ny Repoblikan' i Kôngô (ao atsimo-andrefana hatrany Brazzavile) ary any amin' ny tapany atsimon' i Gabôna. Ny fiteny kikôngô, raha ny tena marina, dia vondrom-piteny avy amin' ny fiteny fototra izay miseho amin' ny endrika samihafa arakaraka ny toerana.