Fiteny benoe-kôngôley

Avy amin'i Wikipedia

Ny fianakaviam-piteny benoe-kôngôley dia sampam-piteny ao amin' ny fianakaviambem-piteny nizrô-kôngôloey, misy mpiteny 550 tapitrisa. Ireo fiteny ireo dia ahitana indrindra ny sampam-piteny banto (anisan' izany ny fiteny soahily). Ity sampana ity dia misy fiteny 938 fantatra (raha tsy isaina ny fitenim-paritra).

Ity fianahaviam-piteny ity dia hita ao Afrika Atsimo, ao Angôla, ao Bôtsoana, ao Borondy, ao Kamerona, ao amin' ny Repoblikan' i Afrika Afovoany, ao amin' ny Repoblikan' i Kôngô, ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ao Kômôro, ao Gabôna, ao Ginea Ekoatôrialy, ao Kenia, ao Lesôtô, ao Malaoy, ao Môzambika, ao Namibia, ao Nizeria, ao Oganda, ao Roanda, ao Sômalia, ao Esoatiny, ao Tanzania, ao Zambia ary ao Zimbaboe.

Misy sampana dimy lehibe ity fianakaviam-piteny ity, dia ny sampana bantôida, ny sampana krôsrivera, ny sampana jokonôida, ny sampam-pitenin' ny lembalemba nizeriana, ary ny sampana kainjy.

Fiteny bantôida[hanova | hanova ny fango]

Ny sampana bantôida dia misy fiteny 700, izay mizara ho fiteny bantôida avaratra sy fiteny bantôida atsimo.

Fiteny bantôida avaratra[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny bantôida avaratra dia tenenina ao Kamerona sy Nizeria ka ahitana ny fiteny tikara, dônga, gaa, tarama, daka, ndôôla, nizaa, koanja, toendy, mbôgnô, mvanipa, sômieva, ndonda, mambila, tepa, vota, oaoa.

Fiteny bantôida atsimo[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny bantôida atsimo dia tenenina ao Nizeria, ao Kamerona, ao Afrika Atsimon' i Sahara, izay misy fiteny 643, izay misampana ho fiteny nianga, ekôida, bebôida, tivôida, grasfilda, ary banto. Ny zana-tsampana banto irery dia misy fiteny miisa 550, ka isan' izany ny fiteny soahily.

Fiteny krôsrivera[hanova | hanova ny fango]

Fiteny jokonôida[hanova | hanova ny fango]

Fitenin' ny lembalemba nizeriana[hanova | hanova ny fango]

Fiteny kainjy.[hanova | hanova ny fango]