Fiteny bantôida

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny bantôida dia sampam-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny benoe-kôngôley aty Afrika, misy fiteny manodidina ny 700, mizara ho fiteny bantôida avaratra sy fiteny bantôida atsimo.

Fiteny bantôida avaratra[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny bantôida avaratra dia tenenina ao Kamerona sy Nizeria ka ahitana ny fiteny tikara, dônga, gaa, tarama, daka, ndôôla, nizaa, koanja, toendy, mbôgnô, mvanipa, sômieva, ndonda, mambila, tepa, vota, oaoa.

Fiteny bantôida atsimo[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny bantôida atsimo dia tenenina ao Nizeria, ao Kamerona, ao Afrika Atsimon' i Sahara, izay misy fiteny 643, misampana ho fiteny nianga, ekôida, bebôida, tivôida, grasfilda, ary banto. Ny zana-tsampana banto irery dia misy fiteny miisa 550, ka anisan' izany ny fiteny soahily.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]