Fifohazana Ankaramalaza

Avy amin'i Wikipedia

Ny fifohazana Ankaramalaza dia iray amin' ny endriky ny fifohazana iorenana tobilehibe eto Madagasikara, niforona vokatry ny fiovan' i Volahavana Germaine (na Mama Nenilava) ho kristiana, manana ny foibeny ao Ankaramalaza, dia ny tobilehibe Ankaramalaza. Miankina amin' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ny fifohazana Ankaramalaza. Isaky ny 2 Aogositra no anaovana fankalazana ny tsingerin-taonan' io tobilehibe io.

Ny mpanorina[hanova | hanova ny fango]

Fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

Notezaina tao amin' ny fianakaviana mpandala ny fivavahan-drazana i Volahavana Germaine. I Malady no rainy, izay taranaka mpanjaka sady ombiasa. I Vao kosa no anaran-dreniny. Tao Mandronda, ao amin' ny distrikan' i Manakara, no noneran' izy ireo. Rehefa feno folo taona i Volahavana dia nanonofy olona ranjanana miakanjo fotsy nitondra azy tao amin' ny tranovato lehibe iray. Nosasan' io lehilahy io ny tongony. Amin' ny nofy iray hafa dia nakarina any an-danitra izy. Niverimberina matetika ireo nofy roa ireo. Tamin' ny faha-15 taonany dia maro no nangataka azy ho vady izay nolaviny. Araka ny sikidin-drainy dia misy fanahy lehibe mipetraka amin-janany. Tamin' ny faha-17 taonany dia nanambady an' i Mosesy Tsirefo, izay katekista efa antitra (60 taona) sady efa maty vady, i Volahavana. Natao batisa i Volahavana. Taorian' ny fitsofan-drano ny fanambadiany dia nifindra tany Ankaramalaza izy mivady. Tsy niteraka Volahavana ka nanangan-jaza ho zanany.

Fanombohan' ny asany[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny faha-21 taonan' i Volahavana Germaine dia narary sy noheverina fa nitoeran' ny fanahy ratsy ny iray tamin' ny zanakavavim-badiny. Nisy feo nandidy azy handroaka ilay fanahy ratsy. Sitrana ilay zazavavy tamin' ny Alarobia 1 Aogositra 1941. Izany no fahagagana voalohany nataon' i Volahavana. Araka ny fitantaràny dia nampianatra teny tsy fantatra i Jesosy sy nampianatra azy Soratra Masina nandritra ny telo volana tety an-tany sy tany an-danitra. Nitondra an' i Nenilava any an-danitra impito i Jesosy tao anatin' ny telo andro, ka tsy maintsy "maty" nandritra ny telo andro izy hahatanteraka izany. Nilaza no niady tamin' ny dragona mandritra ny telo andro koa i Nenilava.

Fitaran' ny asany[hanova | hanova ny fango]

Taorian' ny fanomanana sy ny asany tao Ankaramalaza sy ny manodidina dia namangy fiangonana amin' ny faritra samihafa i Nenilava. Tamin' ny taona 1952 no nivoahany voalohany ivelan' ny faritra atsimo-atsinanana, ka tao Antsirabe no nanombohany. Toerana maro no notetezin' i Nenilava tany ivelan' i Madagasikara: tany Kômôro tamin' ny taona 1958, tany Etazonia sy tany Nôrvezy tamin' ny taona 1973, ary tany Frantsa tamin' ny taona 1980. Nonina tao Antananarivo i Volahavana nanomboka tamin' ny taona 1969 ka hatramin' ny 1997. Izany no nahatafaorina ny fiangonana loterana ao amin' ny 67ha. Taorian' ny taona 1975 dia nihanahalana ny fitetezam-paritra nataony ary tao amin' ny tobin' Ambohibao ao Antananarivo no nandaniany ny ampahany be amin' ny androny sisa. Maty tamin' ny taona 1998 tao amin' io toby io izy nefa nalevina tany tany Ankaramalaza.

Ankaramalaza[hanova | hanova ny fango]

Ankaramalaza ankehitriny dia tanàna ao amin' ny kaomininan' i Lokomby, distrikan' i Manakara, ao amin' ny faritra Vatovavy-Fitovinany, faritanin' i Fianarantsoa. Lalana 8 km no manasaraka azy amin' ny tanànan' i Lokomby ao avaratra. Lalana mirefy 45 km no azo aleha mankany Ankaramalaza, avy eo dia lakana no iampitana ny renirano. Tamin' ny taona 2014 dia nahatratra 4 000 any ho any ny isan' ny mponina ao Ankaramalaza. Isan-taona dia misy ny fivahiniana masina ataon' ireo mpamonjy fifohazana mankao amin' ny tobilehiben' Ankaramalaza.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Boky azo anovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]

  • Ankaramalaza-Germaine Volahavana Nenilava: histoires et témoignages, Antananarivo, TPFLM, 2007.
  • Augustin R. S., Volahavana Germaine, Trano Printy Loterana, Antananarivo, 1986.
  • Austnaberg, Hans, Shepherds and Demons. A Study of Exorcism as Practised and Understood by Shepherds in the Malagasy Lutheran Church, New York: Peter Lang. 2008.
  • Bruno Rabarihoela, “Mama Nenilava sy ny asa Faminaniana ary ny Fiainam-pirenena”, 2007.
  • James Rabehatonina James, Tantaran' ny Fifohazana eto Madagasikara (1894-1990), Imarivolanitra: Trano Printy FJKM, 1991.
  • Louise R. N. V., Ankaramalaza: un centre religieux en milieu rural, Université d'Antananarivo, 1985.
  • Nenilava-Volahavana Germaine, Antananarivo : TPFLM, juillet 1986.
  • Pasteur Zakaria Tsivoery, “Ankaramalaza” in Tantaran' ny Fifohazana eto Madagasikara, Antananarivo: Imprimerie luthérienne malgache, 2001.
  • Rabehatonina James, Tantaran' ny fifohazana eto Madagasikara 1894 - 1990, Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy.
  • Rasolondraibe, Seth Andriamanalina, le Ministère de « berger » dans les Églises protestantes de Madagascar (de la fin du xixe siècle à nos jours). Tensions et compromis entre mouvements de Réveil, institutions protestantes et religions traditionnelles, Thèse de doctorat sous la direction de Jean‑Paul Willaime, Paris : EPHE, 2010.
  • Razanamiadana, Rakitsoratra Notsongaina: Ny dia niarahako tamin' i Mama Volahavana Germaine Nenilava, fizarana voalohany, 2007.
  • Soloarison Rameloarison, “Ny tantaran’ny fifohazana Ankaramalaza”, mémoire de licence en théologie.
  • Thunem, Adolf & Rasamoela, Joela, Ny tantaran' ny Fifohazana eto Madagasikara, Antananarivo: Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy, p. 5‑96 (1re édition 1934).
  • Tobilehibe Ankaramalaza, Foto-pampianarana momba ny asan' ny mpiandry, 1997.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]