Fifohazana Manolotrony

Avy amin'i Wikipedia

Ny fifohazana Manolotrony dia iray amin' ny endriky ny fifohazam-panahy kristiana malagasy izay naorin-dRavelonjanahary tamin' ny taona 1927, izay vehivavy mpandala ny finoan-drazana malagasy niova ho Kristiana. Misandrahaka manerana an' i Madagasikara ny fifohazana Manolotrony izay manana ny foibeny ao amin' ny tobilehibe Manolotrony. Miankina amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny fifohazana Manolotrony. Isaky ny 15 Aogositra no anaovana fankalazana ny tsingerin-taonan' ny tobilehiben' io fifohazana io. Anisan' ny zana-tobin' i Manolotrony ny Toby Vatotsara ao Antsirabe, izay niorina vokatry ny fifohazam-panahin-dRajaofera Daniel.........

Ravelonjanahary[hanova | hanova ny fango]

Ravelonjanahary dia teraka tamin' ny taona 1850. Notezaina tao amin' ny fiangonana naorin' ny London Missionary Society izy nefa nanana ody. Nilaza ho nisehoan' i Jesoa matetitetika tao an-tanàna sy tany an-tsaha izy rehefa antitra, tamin' ny fahenimpolo taonany. Nahita zavatra mamirapiratra izy indray hariva sady nahare feo nanasa azy mba hijery ny rantsan-tanany folo izay nisy ny soratry ny Didy folo, sady nampanantena azy fa izay rehetra mino an' Andriamanitra noho ny teny izay hambarany dia ho sitrana rehefa amin'ny alalan' ny fametrahan-tanana.

Lazaina fa "maty" nandritra ny enina andro izy ka "nitsangana" tamin' ny andro fahafito; nakarina any an-danitra ny fanahiny ary nomena fanahy hafa izy mba tsy hahafaty azy. Voalaza koa fa tsy nisakafo izy nandritra ny telo volana fa nisotro rano mangatsika fotsiny tamin' ny fotoana nampinarana azy tany an-danitra. Nisy fotoana "nahafatesany" mandritra ny telo andro hafa indray nefa nitsangan-ko velona ihany izy. Tamin' ny taona 1970 Ravelonjanahary vao tena maty.

Ny tanànan' i Manolotrony[hanova | hanova ny fango]

I Manolotrony dia tanàna ao amin' ny tapany atsimon' ny Faritanin' i Fianarantsoa. Ny Betsileo no foko tompontany ao. Ao amin' ny faritra misy azy no ahitana ilay havoana Ambondrombe inoan' ny Malagasy sasany fa onenan' ny fanahin' ny maty, izay manana haambo mirefy 1 925 m.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Boky azo anovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]

  • François R. Z., Fifohazana Manolotrony, Fianarantsoa, 1988.
  • Rabehatonina James, Tantaran' ny fifohazana eto Madagasikara 1894 - 1990, Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy
  • Thunem, Adolf & Rasamoela, Joela, Ny tantaran’ny Fifohazana eto Madagasikara, Antananarivo: Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy, p. 5‑96 (1re édition 1934).
  • Austnaberg, Hans, Shepherds and Demons. A Study of Exorcism as Practised and Understood by Shepherds in the Malagasy Lutheran Church, New York: Peter Lang. 2008.
  • Campbell, Gwyn, “Crisis of Faith and Colonial Conquest. The Impact of Famine and Disease in Late Nineteenth-Century Madagascar”, Cahiers d’études africaines, 1992, vol. 32, no 127, p. 409‑453.
  • Escande, Élisée, les Disciples du seigneur : un mouvement d’évangélisation indigène à Madagascar, Paris : Société des missions évangéliques. 1926
  • Jacquier‑Dubourdieu, Lucile, « Représentation de l’esclavage et conversion : un aspect du mouvement du réveil à Madagascar », Cahiers sciences humaines, 1996, vol. 32, no 3, p. 597‑610.
  • Rasolondraibe, Seth Andriamanalina, le Ministère de « berger » dans les Églises protestantes de Madagascar (de la fin du xixe siècle à nos jours). Tensions et compromis entre mouvements de Réveil, institutions protestantes et religions traditionnelles, Thèse de doctorat sous la direction de Jean‑Paul Willaime, Paris : EPHE, 2010
  • Félicité Rafarasoa, “Fifohazana, le mouvement de réveil", mémoire de fin d’étude, SETELA, Centre de formation pour les Laïques, promotion 2001-2002.