Fiangonana harista

Avy amin'i Wikipedia
I William Wade Harris
Mpitoriteny harista

Ny Fiangonana harista dia fiangonana teratany afrikana manindrahindra ny faminaniana, izay mino an' i Jesoa Kristy, izay hita indrindra ao Kôtidivoara. Ilay evanjelista William Wade Harris no nanorina izany fiangonana izany tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20.

Teraka tao Liberià tamin' ny taona 1860 i William Wade Harris Wury tao amin' ny fianakaviana animista. Ninatra tao amin' ny sekolin' ny misiona metôdista izy ka natao batisa tao amin' io fiangonana io. Tamin' ny fanagadrana azy tamin' ny taona 1910 dia namangy azy ny arkanjely Gabriela ka naniraka azy hitory ny filazantsara amin' ireo rahalahiny. Rehefa afaka avy tao am-pigadrana izy dia nisesitany tany Kôtidivoara. Nahita fahombiazana ny fitorianteny nataony tao. Voaroaka hiala an' i Kôtidivoara izy tamin' ny taona 1915. I Johh Ahui mpianany no nanohy indray ny fihetsiketsehana tamin' ny taona 1929 sy tamin' ny taona 1954. Nandroso haingana ny fivavahana harista noho izany.

Isan' ireo fiangonana lehibe efatra eken' ny fitondram-panjakana ivoariana ny Fiangonana harista. Hita miorina indrindra ao amin' ny tapany atsimon' i Kôtidivoara io fiangonana io. Ahitana azy koa ny any Liberià sy ny any Ganà. Efa misy azy koa ny any Eorôpa, indrindra ny any Frantsa.

Araka ny foto-pampianarana voalohany omen' i Harris dia mitana anjara toerana lehibe ny Baiboly (fandaozana ny ody sy ny sampy, fanahana ny lalàn' i Mosesy, ny tsy maitsy anaovana batisa). Heverina ho fitaratra ho an' i Afrika ny Testamenta Taloha (andefarana ny fampirafesam-panambadiana, fanomezana toerana ny lovantsofina am-bava, fanomezan-danja ny nofy ahafaha-mamantatra ny tsy fantatra, fanomezan-danja ny fanasitranana ara-panahy).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]