Antônianisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny antônianisma na hetsika antônianista dia firehana ara-pivavahana mampifangaro singa avy amin' ny fivavahana samihafa izay nipoitra tao amin' ny Fanjakan' i Kôngô teo anelanelan' ny taona 1704 sy 1706 tao amin' ny Eglizy katôlika. Ny mpanorina azy dia i Kimpa Vita na Dona Beatriz (anarany am-batemy), izay nilaza fa itoeran' i Santo António de Pádua (na Antoine de Padoue amin' ny teny frantsay), izay nioan' ny mpanaraka azy fa afaka manasitrana ny marary, sy manatanteraka fahagagana hafa. Nofaizin' ny mpanjaka Pierre IV n' i Kôngô izany hetsika izany ka nodorana velona tamin' ny taona 1706 i Kimpa Vita. Nanana endrika ara-pôlitika koa ny fihetsihetsehana antônianista, satria nitolona ny amin' ny fampitambarana ny Fanjakan' i Kôngô sy ny fandroahana ny misionera eorôpeana i Kimpa Vita.

Ity hetsika ity dia mampifangaroharo fanao avy amin' ny fivavahana kôngô tamin' izany fotoana izany, sy ny teôlôjia ary fanao momba ny fanoloran-tena katôlika, nikatsaka ny hanorina ny fitantarana ao amin' ny Baiboly ao amin' ny jeôgrafia kôngôley izy (ohatra: teraka tao Mbanza Kôngô i Kristy, natao batemy tao amin' ny faritra Nsundi; i Maria dia andevon' ny olom-baventy kôngô, sns). Nanova zavatra sasany ao amin' ny vavaka kristiana i Kimpa Vita, indrindra ny Ave Maria ("Arahaba ry Maria") sy ny Salve Regina ("Arahaba ry Mpanjakavavy"). Nanome toerana lehibe ho an' ny fanoloran-tena amin' i António de Pádua izay atao hoe Tony Malau amin' ny fiteny kikôngô koa izany fihetsiketsehana izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]