Fiangonan' i Yahweh

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangonan' i Yahweh dia fikambanana ara-pivavahana tsy mitady tombontsoa ary manana ny foibeny iraisam-pirenena ao Betel, Pennsylvania, Etazonia. Atao hoe Assemblies of Yahweh izy amin' ny teny anglisy. Io fikambanana io dia niorina tsy niankina tamin' ny asa fitoriana an' onjampeo (radiô) izay natombok' i Jacob O. Meyer tamin' ny taona 1966. Ny Fiangonan' i Yahweh no vondrona "Anarana Masina" lehibe indrindra, saingy tsy anisan' ny Hetsika Anarana Masina (anglisy: Sacred Name Movement).

Fiaviany[hanova | hanova ny fango]

Ny Fiangonan' i Yahweh dia mihevitra ny tenany ho ny fanorenana indray ny Fiangonana Apôstôlika, izay natory fahizay tamin' ny taona 70 taor. J.K. I Jacob O. Meyer mpanorina azy dia nandalina momba ny anarana hoe Yahweh, fony izy nianatra teôlôjia ara-Baiboly. Noho izany dia nanjary resy lahatra izy ny amin' ny maha zava-dehibe ny tokony tsy hampiasana afa-tsy ny anarana hoe Yahweh hiantsoana an' Andriamanitra, ary tatỳ aoriana, dia Yahshua no niantsoana an' i Jesosy na Jesoa. Nanohy nanorina ny Fiangonan' i Yahweh i Meyer tamin' ny taona 1969. Io fikambanana io indraindray dia miantso ny tenany ho "Elian' ny Andro Ankehitriny" ("Modern Day Elijah"), satria ny teny hebreo hoe אֱלִיָּהוּ / Eliyahu dia midika hoe "Ny El-ko dia i Yahweh" (izany hoe "I Iahveh no Andriamanitro"), izay manondro ny Malakia 4 sy ny Marka 9:12[1], momba ny fiverenan' ny fanompoam-pivavahana amin' i Yahweh amin' ny "andro farany".

Antsoin' ny mpitarika ny Fiangonan' i Yahweh hoe "fanompoam-pivavahana marina" ny finoany, fa tsy kristianisma na ny jodaisma. Antsoina indraindray hoe "Israelita Mesianika" na "Israelita ara-Panahy" izy ireo, angamba araka ny Joany 4:23[2].

Finoany[hanova | hanova ny fango]

Manamafy izahay fa amin' ny maha zanaka mpankatò dia ilaina ny mitandrina ny didy sy ny sata ary ny fitsarana rehetra (afa-tsy ny fombafomba sy ny lalàna momba ny sorona biby) izay nomen' ny Ray any an-danitra ny Israely mba hahatonga azy ireo ho vahoaka manokana, Levitikosy 20:7–8; Deoterônômia 6:6–9, 25; Deoterônômia 7:6–11; Matio 5:17–20; Rômana 7:12. Azo atao ankehitriny, amin' ny alalan' ny Fanahy Masina, ny mitandrina ireo didy ireo amin' ny finoana ho famonjena antsika, Efesiana 2:8–10; Jakôba 2:17–20. Ankehitriny isika dia mitazona sorona ara-panahy fa tsy sorona biby sy sakafo ary fanatitra aidina, Hebreo 13:15–16; 1 Petera 2:5; Rômana 12:1; Filipiana 4:18. — Fanambaràna ny fotopampianarana, teboka faha-6[3]

Ny Fiangonan' i Yahweh dia milaza fa manaraka akaiky ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao araka izay azo atao. Izany no mahatonga an' ilay vondrona hoheverina ho toy ny fifangaroan' ny jodaisma sy ny kristianisma, na dia tsy mampifangaro ny foto-pampianarana kristiana na jiosy amin' ny fampianarana ny Soratra Masina aza.

Mino izy ireo fa mba hahatakarana ny sitrapon' i Yahweh, ny Baiboly dia tsy maintsy arindra sy heverina ho tsy mety diso. Mino ny mpikambana fa tena ilaina ny mitandrina ny didin' i Yahweh ao anatin' izany ny Sabata andro fahafito manomboka ny Zoma filentehan' ny masoandro ka hatramin' ny fiposahan' ny masoandro ny Asabotsy (Eksôdôsy 20:8), ny andro masina araka ny voafaritra ao amin' ny Levitikosy 23 sy ny Deoterônômia 16, ary ny fihinanana sakafo madio araka ny voafaritra ao amin' ny Levitikosy 11 sy Deoterônômia 14.

Eskatôlôjia[hanova | hanova ny fango]

Ny Fiangonan' i Yahweh dia mino ny Fahoriana Lehibe, izay Rafitry ny Bibidia izay adika hoe fitondram-panjakan' izao tontolo izao sy fivavahana mampifangaroharo fanao eto amin' ity tany ity izay manohitra ny didin' i Yahweh (Apôkalipsy 12:17) ary farany, Fanjakan' i Yahweh arivo taona (Apôkalipsy 20:4) eto amin' ity tany ity izay hitondra vanim-potoam-pamokarana, fahagagana, fitiavana, fiadanana ary fahatoniana amin' ny alalan' ny fitandremana maneran-tany ny didy miaraka amin' i Yahshua ilay Mesia manjaka amin' ny maha Mpanjakan' ny Tany azy.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. "Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin' ny Zanak' olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona? " (Marka 9:12, Ny Baiboly)
  2. "Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan' ny mpivavaka marina amin' ny Ray amin' ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin' ny Ray." (Joany 4:23, Ny Baiboly Masina)
  3. Inty ilay lahatsoratra nadika amin' ny teny malagasy: We affirm that as obedient children it is necessary to keep all of the commandments, statutes, and judgments (except the ritual and animal sacrifice Laws) which the Heavenly Father gave to Israel to make them a separate people, Leviticus 20:7–8; Deuteronomy 6:6–9, 25; Deuteronomy 7:6–11; Matthew 5:17–20; Romans 7:12. It is now possible through the Holy Spirit to keep these commandments by faith for our salvation, Ephesians 2:8–10; Jacob 2:17–20. We now keep a spiritual sacrifice rather than animal sacrifices, meal, and drink offerings, Hebrews 13:15–16; 1 Peter 2:5; Romans 12:1; Philippians 4:18. — Statement of Doctrine, point 6