Fiteny armeniana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny armeniana dia fiteny indô-eorôpeana tsy mikambana amin-tsampana fa fiteny manirery. Ankehitriny dia misy ny fiteny armeniana atsinanana izay fiteny ôfisialin' ny Repoblikan' i Armenia izay tenenin' ny mponina ao Armenia sy vahoaka armeniana any Iràna sy any Rosia, ary ao koa ny fiteny armeniana andrefana izay tenenin' ny Armeniana am-pielezana. Miisa 2 960 000 ny mpiteny armeniana ao Armenia tamin' ny taona 2013, fa mahatratra 3 843 000 izany maneran-tany.

Misy fifanahafany amin' ny fiteny grika taloha ny fiteny armeniana. Manakaiky ny fiteny jermanika kosa izy raha ny fiovan' ny fivoaran' ny feon-teniny sy ny rafi-peony no heverina. Manana ny abidiny manokana, izay noforonina tamin' ny taonjato faha-5, ny fiteny armeniana. Amin' ny fiteny armeniana dia atao hoe հայերեն / hayeren io fiteny io.

Fitenim-paritra armeniana[hanova | hanova ny fango]

Mizara roa ny fiteny armeniana ankehitriny, dia ny fiteny armeniana andrefana sy fiteny armeniana atsinanana. Ny fiteny armeniana atsinanana sy ny armeniana andrefana dia mazàna dia ifankahazoan' ireo mpampiasa azy nahita fianarana na mahay mamaky teny sy manoratra, raha toa kosa ireo mpampiasa tsy mahay mamaky teny sy manoratra na tsy tena mahay mamaky teny sy manoratra dia sahirana amin' ny fahazoana ilay karazana fiteny armeniana hafa. Ireto ambany ireto ny ohatra sasantsasany momba ny fahasamihafan' ny fanononana.

Ohatra
Fiteny armeniana atsinanana Fiteny armeniana andrefana
[b] [p]
[g] [k]
[d] [t]
[dʒ] [tʃ]

Fiteny armeniana atsinanana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny armeniana atsinanana dia endrika ny fiteny armeniana ampiasaina ho ho fiteny ôfisialy any Armenia sy any Artsakh. Ampiasain' ny vondrom-piarahamonina armeniana any Rosia sy Iràna ihany koa io fitenim-paritra armeniana io. Ny fiteny armeniana atsinanana dia niforona avvy amin' ny fitenim-paritra armeniana maro tao amin' ny lemak' i Ararat. Saika mitovy amin' ny an' ny fiteny armeniana klasika ny rafi-peony..

Fiteny armeniana andrefana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny armeniana andrefana (amin' ny teny armeniana: Արեւմտահայերէն na Աշխարհաբար ) no fiteny ampiasaina any faritra andrefana amin' i Armenia sy any amin' ny zanaka am-pielezana armeniana indrindraindrindra hatramin' ny nisian' ny fandripahana ny Armeniana, afa-tsy ao amin' ny vondrom-piarahamonina armeniana any Iràna sy any Rosia. Ny fiteny armeniana andrefana dia ampiasaina any amin' ny vondrom-piarahamonina armeniana any Afovoany Atsinanana sy any Eorôpa ary any Amerika. Ny fiteny armeniana andrefana anefa ampiasain' ny ampahany kely amin' ny vahoaka armeniana ao Torkia, ka ny 18 % eo amin' ny mponina amin' ny ankapobeny ary 8 % eo amin' ny tanora.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny indô-eorôpeana