Vondrom-piteny kôisàna

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Vondrom-piteny koizana)
Sarin-tany maneho ireo fianakaviam-piteny aty Afrika

Ny fiteny kôisàna dia vondrom-piteny tenenin' ny vahoaka kôikôy (na hôihôy) sy ny vahoaka sàna ao amin' ny faritra atsimo ao Afrika, indrindra ao Bôtsoana, ao Namibia, ao amin'ny faritanin' i Noord-Kaap ao Afrika Atsimo, ary ao amin' ny tapany atsimon' i Angôla.

Ny fiteny koisàna dia miavaka noho ny fampiasany renifeo atao hoe klika. Ny fiteny kongekoka dia mampiasa karazana klika mihoatra ny 50 amin' ny hasim-peo miisa 140.

Tsy mamorona fianakaviam-piteny tokana ireo fiteny koisàna ireo nefa azo zaraina ho fianakaviam-piteny telo miavaka tsara, afa-tsy ny fiteny hadza sy ny fiteny sandaoe izay heverina fa fiteny manirery. Ny teny hoe kôisàna dia teny enti-manondro ireo fiteny rehetra ao Afrika misy klika sady tsy mifamatotra amin' ny fianakaiam-piteny telo lehibe fantatra tsara ao amin' io kôntinenta io, dia ny fiteny afrô-aziatika sy ny fiteny nilô-sahariana ary ny fiteny nizerô-kôngôley. Ny fiteny kôisàna be mpiteny indrindra dia ny fiteny kôikôy (na fiteny hôihôy), fitenin' ny foko Nama, izay isan' ny folo lehibe ao Namibia.

Sampana[hanova | hanova ny fango]

Fiteny koady-kôy[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny koady-kôy dia sampan' ny fiteny kôisana izay ahitana ireto zana-tsampana ireto: fiteny koady (fiteny maty) sy ny vondrom-piteny kôy.

Fiteny koady[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny koady dia fiteny maty.

Fiteny kôy[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny kôy dia mbola mizara ho sampana roa: dia ny vondrom-piteny kôikôy (fiteny kôikôy avaratra na fiteny nama, fiteny kôikôy atsimo, fiteny einy) sy ny fiteny tsokoe na fiteny kalahary (fiteny tsokoe atsinanana: fiteny soa sy fiteny tsoa; fiteny tsokoe andrefana).

Fiteny johoana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny johoana dia ahitana ny fiteny kôisana avaratra sy ny fiteny amkôe,

Fiteny too[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny too dia ahitana ny fiteny koy sy ny fiteny taa.

Fiteny sandaoe sy fiteny haja[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny sandaoe sy ny fiteny haja dia fiteny manirery ao Tanzania sy ao Kenia avy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango][hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny ao Afrika

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny

Hafa