Fiteny too

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny too dia fiteny maromaro mamorona fianakaviam-piteny ao Afrika Atsimo sy ao Bôtsoana. Mizara roa izy ireo izay tsy iadian-kevitra ny fifandraisany na dia tsy mifanakaiky aza. Ny anarana hoe tuu dia avy amin' ny anarana ​​iraisan' ny sampana roan' io fianakaviam-piteny io, midika hoe "olona".

Ny fiteny too dia ao amin' ny fianakaviam-piteny kôisana, ary nantsoina koa noho io antony io hoe "kôisana atsimo", teny efa nilaozana ankehitriny. Amin' izao fotoana izao dia tsy heverina intsony ho manana fiaviana iraisana ny fiteny kôisana, fa fiteny maro ao amin' ny sampam-piteny maromaro manana fitoviana ara-drafitra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]