Môngôlika (vahoaka)
Ny Môngôlika dia fitambarana vahoaka avy any Azia Atsinanana izay hita any Azia Atsinanana, any Azia Avaratra, any Azia Atsimo ary Eorôpa Atsinanana, izay miteny fiteny môngôlika. Antsoina hoe Prôtô-Môngôly ny razambeny.
Ny vondrom-poko môngôlika lehibe indrindra amin' izao fotoana izao dia ny Môngôly. Ny vahoaka miteny môngôlika, na dia miparitaka amin' ny faritra ara-jeografia midadasika aza, dia mampiseho fifanahafana ara-pototarazo avo lenta, ary mampiseho fitohizana amin' ireo vahoaka tany Azia Avaratra-Atsinanana fahiny.
Ny vahoaka môngôlika
[hanova | hanova ny fango]Ireto avy ny foko ao amin' io vondrona io: Bônana, Daora, Dôngsiana, Hamnigana, Iogora, Kangjia, Katsô, Mogaly, Môgôly, Môngôly, Môngôly Sisoana, Môngoôra, ary Sôgoô Ariga.
Fafana mapiseho ny vahoaka môngôlika ankehitriny | |||
Anaram-poko | Isan' ny mponna | Faritra ahitana azy | Fivavahana |
Môngôly | 11 000 000 | Môngôlia, Môngôlia Anatiny, faritra mizakatena môngôliana any Sina, Buryatia (Rosia), Kalmykia (Rosia), Agin-Buryat Okrug (Rosia), Ust-Orda Buryat Okrug (Rosia) | Bodisma tibetana, tengrisma |
Mogaly | 3 000 000 | India Avaratra, Pakistàna | Silamo sonita |
Dôngsiana | 621 000 | Kôntea Mizakatenan' i Dongxiang, Jishishan Bonan, Kôntea Mizakatenan' i Dongxiang sy Salar | Silamo sonita |
Môngoôra | 290 000 | Qinghai, Gansu | Bodisma tibetana, tengrisma |
Daora | 132 000 | Morin Dawa Daur Autonomous Banner, Meilisi Daur District | Bodisma tibetana, tengrisma |
Katsô | >60 000? | Kôtean' i Tonghai | Bodisma tibetana |
Sôgoô Ariga | 40 000? | Qinghai | Bodisma tibetana, Bon |
Môngôly Sisoana | 29 000 | Kôntea Mizakatenan' i Muli Tibetan, Kôntenan' i Yanyuan | Bodisma tibetana |
Bônana | 20 000 | Jishishan Bonan, Kôntea Mizakatenan' i Dongxiang sy Salar | Silamo sonita, Bodisma tibetana |
Hamnigana | 10 000? | Krain' i Zabaykalsky, Môngôlia Avaratra-Atsinanana, Hulunbuir | Bodisma tibetana, samanismak |
Iogora | 6 000 | Kôntea Mizakatenan' i Sunan Yugur | Bodisma tibetana, tengrisma |
Môgôly | 2 000 | Faritanin' i Herat | Silamo sonita |
Kangjia | 2 000 | Prefektiora Tibetana Mizakatenan' i Huangnan | Silamo sonita |
Ny fiteny môngôlika
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny môngôlika dia fianakaviam-piteny any Azia Avaratra sy any Azia Afovoany. Matetika dia ampifanakaikezina amin' ireo fiteny torkika sy ireo fiteny tongoza ao amin' ny fianakaviambem-piteny altaika izy ireo nefa tsy miombon-kevitra ny amin' izany ny mpahay teny maro. Anisan' ny fiteny môngôlika ny fiteny môngôly (na môngôliana) izay tetenina ao Môngôlia sy ao Môngôlia Anatiny.
Ireto ny fiteny ao amin' io fianakaviam-piteny io:
- fiteny bônana (mpiteny miisa 6 000)
- fiteny boriata (mpiteny miisa 330 000)
- fiteny dagora (mpiteny miisa 96 000)
- fiteny kamnigana (mpiteny miisa 2 000)
- fiteny kangjia (mpiteny miisa 1 000)
- fiteny môgôly (fiteny maty)
- fiteny môngôliana (mpiteny miisa 5,2 tapitrisa)
- fiteny môngoôra (mpiteny miisa 150 000)
- fiteny ôirata (anisany ny fiteny kalmika) (mpiteny miisa 360 000)
- fiteny ôrdôsy (mpiteny miisa 123 000)
- fiteny santa (Dongxiang) (mpiteny miisa 200 000)
- fiteny sira iogora (mpiteny miisa 4 000)