Hankany amin'ny vontoatiny

Tsikafonkafombazaha

Avy amin'i Wikipedia
Tsikafonkafombazaha (Eichhornia crassipes)
Tsikafonkafombazaha maniry ao Imerinafovoany, Madagasikara

Ny tsikafonkafombazaha, izay atao hoe tsikafonkafona ihany koa, dia karazana zavamaniry an-drenirano sy amin' ny lakandrano ary anaty farihy, amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany, ao amin' ny fianakaviana Pontederiaceae. Eichhornia crassipes ny anarany ara-tsiansa. Any Amerika Atsimo no fiaviany, ao amin' ny deboka amazôniana sy ao amin' ny farihy lehibe sy honahona ao amin' ny faritr' i Pantanal any amin' ny tapany andrefana amin' i Brezila no fiaviany.

Anisan' ny zavamaniry ratsy maniry sy miparitaka haingana ny tsikafonkafombazaha. Mitambatambatra metevina sady mitsinkafona ambony rano ny tahony. Izy no haingam-paniry indrindra amin' ny zavamaniry rehetra: mahatratra 2 hatramin' ny 5 m isan' andro ny kinovany sasany maniry any Azia Atsimo-Atsinanana.

Tsikafonkafombazaha ao amin' ny Kruger National Park atsy Afrika Atsimo

Ny Eorôpeana no nampiditra ny tsikafonkafombazaha teto Madagasikara tamin' ny taona 1925; taty aoriana dia nanelingelina ny fikorianan' ny rano amin' ny lakandrano io zavamaniry io sady nameno ny farihy sy ny dobo. Atao sakafon' ny omby be ronono anefa izy sady azo atao zezika amin' ny tanimbary.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]