Hankany amin'ny vontoatiny

Pistia stratiotes

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tsikafonkafona)
Tsikafonkafona ao Tikal, any Goatemala
Tsikafonkafona

Ny Pistia stratiotes dia zavamaniry anaty rano, ao amin' ny fianakavian-javamaniry Araceae, izay maniry amin' ny faritra rehetra manana toetanin-jana-pehin-tany any Amerika, any Azia, aty Afrika ary any Ôseania, sady efa nampidirina koa any Eorôpa. Io no hany karazana ao amin'ny antokon-javamaniry Pistia. Maniry mandavan-taona izy, mitsinkafona ambony rano, misandrahaka sy mifaningotra ary mihantona anaty rano ny fakany izay mahatratra 50 sm. Tsy manana tahony izy. Atao hoe azafo, hazafo, raizafy, ranomanafaka, rasanjaka, savamanipaka, tsikafonkafona, tsinkafonkafonka io zavamaniry io amin' ny teny malagasy..

Eny amin' ny lakandrano, ny renirano mikoriana mora, ny hady misy rano, ny tanimbary ary ny dobo no tian' ny tsikafonkafona aniriana indrindra. Mety ho rakotra azy tanteraka ny toerana aniriany ary hovoasakany ny fisian' ny ôksizenina ao anaty rano ka mahatonga ny fahafatesan' ny trondro, ho voahelingeliny koa ny fifamoivoizana anaty rano.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]
Ravin' ny Pistia stratiote

Misy fampiasana ara-pitsaboana isan-karazany ny Pistia stratiotes manerana ny faritra maro any Azia sy atỳ Afrika. Any Nizeria, ny raviny maina dia amboarina ho vovoka ary apetaka amin' ny ratra sy fery mba hanadiovana azy tsy hisy mikrôba[1]. Misy fampiasana mitovy amin' izany amin' ny fitsaboana nentim-paharazana indiana, izay ampiasana ny vovoka azo avy aminy raviny mba hitsaboana ny fery vokatry ny farasisa sy ny aretina mahazo ny hoditra[2]. Any Nizeria sy Gambia, afangaro amin' ny rano ny raviny mba hanasana maso hitsaboana ny takodimia vokatry ny tsy fahazakana akora sasany[3]; fantatra fa mampangatsiatsiaka sy mampitony fanaintainan' ny maso[4]. Ankoatra izany, ny lavenon' ny ravin' ny Pistia stratiotes dia ampiasaina hitsaboana ny areti-mihanaka amin' ny hodi-doha, ao amn' ny amin'ny fitsaboana nentim-paharazana indiana sy nizeriana[2].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ajibesin, Kola' Kayode (2012-11-25). "Ethnobotanical Survey of Plants Used for Skin Diseases and Related Ailments in Akwa Ibom State, Nigeria". Ethnobotany Research and Applications. 10: 463–522. ISSN 1547-3465.
  2. 1 2 Shyamsundar, D; Premkumar, VG (2005). "Antidermatophytic activity of Pistia stratiotes". Indian Journal of Pharmacology. 37 (2): 127. doi:10.4103/0253-7613.15116. ISSN 0253-7613.
  3. Koffuor, George Asumeng; Kyei, Samuel; Asiamah, Emmanuel A; Atobiga, Clement Nsobire; Awuah, Agnes; Abokyi, Samuel (2014). "Antiallergic effect of an aqueous leaf extract of Pistia stratiotes in murine model of ovalbumin-induced allergic conjunctivitis". Pharmacognosy Research. 6 (4): 274–279. doi:10.4103/0974-8490.138243. ISSN 0974-8490. PMC 4166813. PMID 25276062.
  4. "Pistia stratiotes Linn. [family Araceae] on JSTOR". plants.jstor.org. Notsidihina 2021-11-29.