Tanimbary
Fiseho
Ny tanimbary dia ampahan-tany atokana amin' ny fambolena vary ampidirana rano hanondrahana azy. Maro isan-karazany ny endriky ny tanimbary arakaraka ny tontolo misy azy, ny fomba fikajiana ny rano, ny halalin' ny rano atao ao anatiny, ny haambo misy azy, ny fomba fambolena ny vary.
Maro ny firenena ahitana tanimbary, ka isan' izany ireo firenena any Azia Atsinanana sy any Azia Atsimo-Atsinanana toa an' i Malezia, i Sina, i Tailandy, i Kôrea, i Japàna, i Vietinamy, i Taioàna, i Indônezia, i India i Srilanka ary i Filipina. Ahitana tanimbary koa ny faritra sasany any Eorôpa toa an' i Camargue any Frantsa sy Piemont any Italia.
Ny tanimbary dia aminin'ny tany lonaka sy ambany no tena misy azy ,fa misy ihany ireo mamboly an-tanety.