Task Force Takuba

Avy amin'i Wikipedia
Ny G5 ao amin' ny faritra Sahel

Ny Task Force Takuba dia hery ara-tafika miasa izay ahitana vondron-tafika manokana avy amin' ny firenena maromaro ao amin' ny Vondrona Eorôpeana. Mipetraka eo ambany fibaikoan' ny Frantsay izy io ary manampy ny tafika maliana amin' ny ady atao amin' ny fampihorohoroana ao Malỳ.

Amin' ny ankapobeny, ny hetsika ataon' ireo vondron-tafika ireo dia miara-miasa amin' ny mpiara-miombona antoka maro ao amin' ny G5 Sahel sy amin' ny Mission multidimensionnelle intégrée des Nations unies pour la stabilisation au Mali (na MINUSMA) ary amin' ny mpisehatra iraisam-pirenena hafa amin' ny ady mitam-piadiana ao Sahel izay mampifandona ny firenena ao amin' ilay faritra amin' ny vondrona mitam-piadiana maro, anisan' izany ny vondrona mpampihorohoro iraisam-pirenena.

Indreto ny firenena nandray anjara ao, ankoatry ny Vondrona Eorôpeana: Alemaina, Belzika, Danemarka, Estônia, Fanjakana Mitambatra, Frantsa, Grisia, Hôngria, Italia, Krôasia, Litoania, Nederlandy, Pôrtogaly, Romania, Soeda ary Tsekia. Indreto kosa ny firenena ao amin' ny G5 Sahel: Borkina Fasô, Malỳ, Maoritania, Nizera ary Tsady.

Tamin' ny 30 Jona 2022 dia namarana ny iraka nataony tao Malỳ nandritra ny fisintonana ny tafika frantsay izay nandray anjara tamin' ny Opération Barkhane ny Task Force Takuba.