Skitiana (vahoaka)
Apparence
Ny Skitiana na Skita na Sita dia vondrom-poko indô-eorôpeana tao Eorazia izay mpifindrafindra monina sady miteny amin' ny fiteny iraniana. Any Azia Afovoany no fiavian' ny Skitiana. Nahatratra ny fara tampon' ny heriny izy ireo teo anelanelan' ny taonjato faha-7 tal. J.K. sy ny fotoana niafaran' ny Andro Taloha, indrindra tao amin' ny faritra anjakan' ny zavamaniry fohy ao Eorazia afovoany, izay faritra midadasika hatrany Okraina ka hatrany Altay, mamakivaky an'i Rosia sy an' i Kazaksatàna ankehitriny. Atao hoe Σκύθοι / Skúthoi izy ireo amin' ny teny grika, ary atao hoe Skitia (grika: Σκυθία / Skuthia) ny faritra nonenany. Ny Persiana na Persa dia niantso azy ireo hoe Sakas.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Vahoaka iraniana
- Fiteny iraniana
- Iràna Lehibe
- PersiaVahoaka iraniana tamin' ny Andro Taloha:
- Alàna - Baktriana - Daha - Koarezmiana - Masageteana - Mediana - Partiana - Persiana - Sagartiana - Saka - Sarmatiana - Skitiana - Sôgdiana - Kimeriana.