Aller au contenu

Skitiana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Skitiana)
Sarintany mampitaha ny tanin' ny Skitiana sy an' ny Partiana tamin' ny taona 100 tal. J.K.

Ny Skitiana na Skita na Sita dia vondrom-poko indô-eorôpeana tao Eorazia izay mpifindrafindra monina sady miteny amin' ny fiteny iraniana. Any Azia Afovoany no fiavian' ny Skitiana. Nahatratra ny fara tampon' ny heriny izy ireo teo anelanelan' ny taonjato faha-7 tal. J.K. sy ny fotoana niafaran' ny Andro Taloha, indrindra tao amin' ny faritra anjakan' ny zavamaniry fohy ao Eorazia afovoany, izay faritra midadasika hatrany Okraina ka hatrany Altay, mamakivaky an'i Rosia sy an' i Kazaksatàna ankehitriny. Atao hoe Σκύθοι / Skúthoi izy ireo amin' ny teny grika, ary atao hoe Skitia (grika: Σκυθία / Skuthia) ny faritra nonenany. Ny Persiana na Persa dia niantso azy ireo hoe Sakas.

Mpiady skitiana

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]