Samgara

I Samgara na Samigary dia mpitsara ao nandimby an'i Ehoda sady nodimbiasin'i Debora araka ny Bokin'ny Mpitsara (Mpits. 3.31). שַׁמְגַּר / Shamgar no fiantsoana azy amin'ny teny hebreo. I Anata no anaran-drainy.
Tamin'ny nahafatesan'i Ehoda dia nanao izay tsy sitrak'Andriamanitra ny Zanak'i Isiraely ary voageja teo ambany ziogan'ny Filistina. Nahafaty Filistina eninjato tamin'ny fanindroman'omby sady nanafaka ny Zanak'i Israely i Samgara, tamin'ny fotoana naha mpitsara azy.