Ehoda

Avy amin'i Wikipedia
Namono an'i Eglona i Ehoda, taona1908.

I Ehoda dia mpitsara faharoa tao Israely. Ehud ben Gera (אֵהוּד בֶּן־גֵּרָא‬) ny anarany feno amin'ny teny hebreo, izay azo gasina amin'ny hoe Ehoda zanak'i Gera. (Mpits. 3.12-30). Isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe izy. Izy no nadimby ny mpitsara Otniela sady nodimbasan'i Samgara.

Zanak'i Goià mpitari-tafika ao amin'ny fokon'i Benjamina izy, nefa resy ka nanompo ny Môabita. Nanararaotra ny fotoana nanaterany ny anjara fanompoany izy hamonoany an'i Eglona mpanjakan'i Moaba. Maty tamin'izany ny mpanjaka ka sahy nikomy tamin'ny Moabita sy nanohitra azy ireo ny Benjaminita teny ampitan'ny ony Jordana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]