Jefta
Apparence
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/7b/Giovanni_Antonio_Pellegrini_-_Jephthah_Returning_from_Battle_is_Greeted_by_his_Daughter.jpg/239px-Giovanni_Antonio_Pellegrini_-_Jephthah_Returning_from_Battle_is_Greeted_by_his_Daughter.jpg)
I Jefta na Jiftà na Jefte dia mpitsara tao Israely araka ny Bokin' ny Mpitsara (Mpits. 10.7-12-7) ao amin' ny Baiboly. Anisan' ny atao hoe mpitsara lehibe izy. Amin' ny teny hebreo dia tononina hoe יפתח / Yip̄tāḥ io anarana io. I Jaira no mpitsara nodimbasany ary i Ibzana no nandimby azy.
Notendren' ny mpitondra an' i Gileada i Jefta mba hitarika ny ady tamin' ny Amônita izay nandrahona azy ireo. Nandresy izy ka niteraka fialonana teo amin' ny fokom-pirenen' i Efraima izany. Nanafika azy ny Efraimita nefa tsy nahomby ka nahatonga an' i Gileada ho afaka nizaka tena, ary angamba tsy niankina tamin' ny fokom-pirenen' i Manase raha tsy taorian' ny fandresen' i Gideôna ny Midianita.