Aller au contenu

Roibontsy

Avy amin'i Wikipedia

Ny roibontsy na rohibontsy na robontsy na roinosy dia hazo mirefy 6 hatramin' ny 7 m izay manana sampana sy rantsana misy tsilo. Miendrika bola miloko fotsy ny voniny. Mitovy amin'ny an' ny tsaramaso ny voany. Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ity zavamaniry ity. Acacia rovumae ny anarany ara-tsiansa. Ao amin' ny fianakavian-javamaniry Fabaceae izy.

Amin' ny ala maina maniry amin' ny tany fasehana manakaiky mitohy mankany amin' ny morontsiraka no ahitana azy. Tsy maniry amin' ny tany misy sokay ity zavamaniry ity.

Any amin'ny faritra atsimo eto Madagasikara dia azo atao sakafon' ny osy, azo anaovana hazo hanamboaran-trano na ny toy izany koa, na anaovana arina ny robontsy. Ny manodidina ny farihy Tsimanampetsotsa dia ahitana azy betsaka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]