Roy (zavamaniry)

Ny roy dia zavamaniry isan-karazany, hazobotry madinidinika misy tsilo, indrindra fa ny karazana holazaina manaraka eto. Momba ny fisian' ny tsilo ny fototra ara-kevitra fonosin' io teny hoe "roy" io. Tsy manondro karazan-javamaniry tokana izy io sady fampiasa matetika amin' ny kamban-teny koa (roibe, roimainty, roitsokina, sns.).

Ao amin' ny fianakaviana bôtanika samihafa ny karazana lazaina amin' io anarana io: Rutaceae, Apocynaceae, Fabaceae, ary Cannabaceae. Ao ny karazana teratany toy ny Toddalia asiatica (Rutaceae), ny Carissa spinarum (= Carissa edulis var. horrida) (Apocynaceae), ny Mimosa grandidieri (Fabaceae), ny Chaetachme aristata (= Chaetachme madagascariensis) (Cannabaceae). Ao koa ny arazana nampidirina toy ny Vachellia farnesiana (= Acacia farnesiana) (Fabaceae).
Roy
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe "roy" ireto zavamaniry manaraka ireto:
- ny Carissa spinarum L. = Carissa edulis var. horrida (Pichon) Markgr. (Apocynaceae)
- ny Vachellia farnesiana (L.) Wight et Arn. = Acacia farnesiana (L.) Willd. (Fabaceae)
- ny Mimosa grandidieri Baill. (Fabaceae)
- ny Chaetachme aristata Planch. = Chaetachme madagascariensis Baker (Cannabaceae)
Indreto kosa ny karazana zavamaniry manana anarana amin' ny teny malagasy manomboka amin' ny hoe "roi-" na "ro-", izay mety hantsoina hoe "roy" fotsiny.
Roibe, roibelahy, roibevavy
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe roibe ny Hibiscus diversifolius Jacq., fa roibelahy na roibevavy kosa ny Hibiscus diversifolius var. partitus (Malvaceae);
Roibontsy
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe roibontsy na robontsy na roibokida na roibontsika ny Senegalia rovumae (Oliv.) Kyal. & Boatwr. = Acacia morondavensis R.Vig. (Fabaceae).
Roifantaka
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe roifantaka:
- ny Gymnosporia divaricata Baker = Gymnosporia crataegina Baker (Celastraceae)
- ny Gymnosporia leptopus (Tul.) Baker. (Celastraceae)
- ny Carissa spinarum L. = Carissa edulis var. subtrinervia Pichon (Apocynaceae);
Roimainty
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe roimainty:
- ny Zanthoxylum asiaticum (L.) Appelhans, Groppo & J.Wen = Toddalia asiatica (L.) Lam. (Rutaceae)
- ny Hibiscus diversifolius Jacq.,
- ny Dichrostachys tenuifolia Benth.;
Roimemy
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe roimemy:
- ny Mimosa latispinosa Lam. (Fabaceae)
- ny Caesalpinia bonduc (L.) Roxb. = Caesalpinia sepiaria Roxb. (Fabaceae).
Roimbazaha
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe roimbazaha
- ny Biancaea decapetala (Roth) O. Deg. 1936 (Fabaceae).
- ny Caesalpinia bonduc (L.) Roxb. = Caesalpinia sepiaria Roxb. (Fabaceae).
Roindambo
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe roindambo
- ny Smilax anceps Willd. = Smilax kraussiana Meisn. (Smilacaceae)
- ny Senegalia pennata (L.) Maslin = Acacia pinnata Link. (Fabaceae).
Rointsokina
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe rointsokina na roitsokina:
- ny Barleria prionitis subsp. madagascariensis Benoist (Acanthaceae)
- ny Gymnosporia commiphoroides H.Perrier (Celastraceae)
Roipitaka
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe roipitaka ny Senegalia sakalava (Drake) Boatwr. = Acacia sakalava Drake (Fabaceae).
Roipitiky
[hanova | hanova ny fango]Atao hoe roipitiky:
- ny Mimosa grandidieri Baill. (Fabaceae).
- ny Senegalia sakalava (Drake) Boatwr. = Acacia sakalava Drake (Fabaceae).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Acanthaceae - Apocynaceae - Celastraceae - Fabaceae - Malvaceae - Mimosaceae - Rosaceae - Rutaceae
- Acacia - Barleria - Biancaea - Caesalpinia - Carissa - Chaetachme - Dichrostachys - Gymnosporia - Hibiscus - Mimosa - Senegalia - Smilax - Rubus - Toddalia - Vachellia - Zanthoxylum