Hibiscus diversifolius
Ny Hibiscus diversifolius dia zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Malvaceae, misy voniny mitapelaka miloko mavo, ny tahony dia misy tsilo maromaro maranitra, misy tsiratsiraka ny hodiny, mirefy 1 hatramin' ny 2 m ny haavony.
Ny anarany
[hanova | hanova ny fango]Araka ny Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy dia indreto ny anaran' ny Hibiscus diversifolius amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe: azoampela, dingombalala, hazoampela, kiliarivo, pingombalala, rangodrambalala, roibe, roimainty, saroso, sarosoala, sondrarajaza, sondraranjaza, sondraranjazamaosy, tsirangorangombalala, tsotso, tsotsy ary voaroibe.

Ny ovan-karazana Hibiscus diversifolius var. partitus dia atao hoe kiniavandy, rabe, roibe, roibelahy, roibevavy, roilo ary tsotsona. Kely ny Hibiscus diversifolius var. partitus raha maniry amin' ny tany karankaina ka atao hoe roibelahy, fa lehibe kosa izy raha maniry amin' ny tany mando ka antsoina hoe roibevavy.
Amin' ny fitsaboana nentim-paharazana malagasy dia ampiasaina hitsaboana ny aretin' ny traotraoka (sita) ny roibe.
Faritra aniriany
[hanova | hanova ny fango]
Hita any amin' ny faritr' i Afrika Trôpikaly, any Ginea Vaovao, any Filipina, any amin' ny nosin' i Pasifika maro, any Amerika Afovoany sy Atsimo, any amin' ny vondro-nosy Galapagos, any Zelandy Vaovao, any amin' ny vondro-nosy Norfolk ary koa any amin' ny fanjakan' i New South Wales sy any Queensland (samy any Aostralia) ny Hibiscus diversifolius. Misy ny tsy fitovian-kevitra momba ny faritra niaviany. Ny loharanom-baovao sasany dia mihevitra azy io ho aty Afrika ihany, ary fa nampidirina ka lasa mety tsara any an-toeran-kafa; nefa heverina ho teratany any Zelandy Vaovao sy any Aostralia.
Toerana tiany aniriana
[hanova | hanova ny fango]Hita any amin' ny faritra iva sy feno honahona ny Hibiscus diversifolius; aty Afrika dia mety ho hita an-tanety na akaikin' ny morontsiraka no ahitana azy, fa any amin' ny kôntinanta hafa rehetra dia any amin' ny faritra amorontsiraka ihany no misy azy. Ity fitsinjarana ity, miaraka amin' ny porofo jenômika, dia milaza fa avy aty Afrika izy io, ary nanjanaka ny kôntinanta hafa lavitra tamin' ny alalan' ny fanaparitahan' ny rano masira.
Ovan-karazana
[hanova | hanova ny fango]
Indreto ny ovan-karazana ao amin' ny :
- Hibiscus diversifolius subsp. rivularis (Bremekamp & Oberm.) Exell
- Hibiscus diversifolius var. partitus
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Voaroy
- Hazoampela na azoampela (Hibiscus diversifolius, Hibiscus vitifolius)
- Roimainty (Dichrostachys tenuifolia, Hibiscus diversifolius, Rubus apetalus, Rubus fruticosus, Rubus myrianthus, Rubus pauciflorus, Toddalia asiatica)
- Sarosoala (Hibiscus vitifolius var. heterotrichus, Hibiscus diversifolius)
- Sondraranjaza (Abelmoschus moschatus, Hibiscus diversifolius)
- Tsotsona (Crinum firmifolium, Hibiscus diversifolius, Pavonia urens)