Roifantaka
Fiseho

Ny roifantaka dia hazo madinika mafy sy misy tsilo. Maro ny zavamaniry antsoina amin' ny hoe roifantaka, ka anisan' izany ireo mitondra anarana ara-tsiansa hoe:
- Gymnosporia divaricata, (fianakaviana Celastraceae),
- Gymnosporia leptopus (fianakaviana Celastraceae),
- Gymnosporia crataegina (fianakaviana Celastraceae),
- Carissa edulis var. subtrinervia (fianakaviana Apocynaceae)
Ireto koa no anarana iantsoana azy ireo amin' ny teny malagasy: fantsimbala, fantsy, mangina, raifantaka, roifatara, roifotsy.
Ny roifantaka Gymnosporia dia ahazoana tambavy itsaboana areti-maso, dia ny takodimena mahazo ny zaza. Ny roifantaka Carissa dia miavaka noho ny fisian' ny ranony madity mipetaka amin' ny vatany izay alain' ny olona hanaovana dity.