Hankany amin'ny vontoatiny

Fabaceae

Avy amin'i Wikipedia

Fabaceae
Sôza (Glycine max)
Fanasokajiana ara-tsiansa
Fanjakana:
(tsy voasokajy):
(tsy voasokajy):
(tsy voasokajy):
Filaharana:
Fianakaviana:
Fabaceae

Ny Fabaceae na Leguminosae dia fianakavian-javamaniry amin' ny filaharana Fabales. Anisan' ny fianakavian-javamaniry manan-danja indrindra amin' ny zavamaniry misy voniny izy ireo, fahatelo aorian' ny Orchidaceae sy ny Asteraceae raha ny karazana ao aminy no heverina. Misy sokajiny (vondron-karazana) 765 eo ho eo ny Fabaceae izay misy karazany 19 500 mahery. Ny zana-pianakaviana telo fantatra dia ireto manaraka ireto: ny Mimosoideae sy ny Caesalpinioideae ary ny Faboideae na Papilionoideae.

Amin' ny lafiny ara-toekarena, ny Fabaceae no fianakavian-javamaniry faharoa lehibe indrindra aorian' ny Poaceae, sady loharanom-prôteinina tena ilaina amin' ny sakafo ho an' ny olombelona sy ny biby. Anisan' izany ny fianakavian' ny tsaramaso (Phaseolus vulgaris L.), ny tsiasisa (Cicer arietinum), ny voanemba (Vigna sinensis L.), ny sôza (Glycine max), ny voanjo (Arachis hypogaea), ny kily (Tamarindus indica), ny lozerna (Medicago sativa), likôrisa (Glycyrrhiza glabra) sns.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho zana-pianakaviana telo ny Fabaceae, araka ny fanasokajiana klasika: ny Mimosoideae sy ny Caesalpinioideae (amin' ny heviny mifintina) ary ny Faboideae. Mizara ho zana-pianakaviana enina izy araka ny fanasokajiana filôjenetika, dia ireto izany:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fianakavian-javamaniry hafa: