Asteraceae

Ny Asteraceae dia fianakavian-javamaniry ao amin' ny filaharana Asterales, misy karazana be dia be, izay antsoina koa hoe Compositae, na Compositaceae, izay ahitana fikambanana voniny madinika izay miseho ho toy ny voniny lehibe.
Ity fianakaviana ity dia ahitana karazana 23 500 hatramin' ny 32 000 izay voatsinjara amina antoko miisa 1 600 hatramin' ny 1 900 any ho any, izay mahatonga azy io ho fianakaviana faharoa amin' ny tontolon' ny zavamaniry sy ny voninkazo, ao aorian' ny Orchidaceae (izay misy karazana 25 000) fa eo alohan' ny Fabaceae.
Ahitana an' ity fianakavian-javamaniry ity faritra rehetra eto an-tany (afa-tsy any Antarktika, any amin' ny tanin-dranomandrin' i Grinlandy ary any amin' ny vondronosy Arktika Kanadiana), fa indrindra any amin' ny faritra manana toetany antonony. Ny karazan-javamaniry tena maneho an' ity fianakaviana ity dia maniry indrindra any amin' ny faritra misy haintany, ivelan' ny faritra misy hazo any amin' ny ala trôpikaly mando. Ny ankamaroan' izy ireo dia zavamaniry ahitra, na dia misy aza ny hazo, hazobotry na vahy ao amin' io fianakaviana io. Anisan' izany ny tanamasoandro, ny herokeroka, ny salady ary ny beroberoka.
Taksinômia
[hanova | hanova ny fango]Zana-pianakaviana
[hanova | hanova ny fango]Araka ny Global Compositae Database (2 Jolay 2024) dia ireto ny zana-pianakaviana ao amin' ny Asteraceae:
- Asteroideae (Cass.) Lindl.
- Barnadesioideae (D.Don) Bremer & Jansen
- Carduoideae Cass. ex Sweet
- Cichorioideae Chevall.
- Dicomoideae S. Ortiz
- Famatinanthoideae S.E.Freire, Ariza & Panero
- Gochnatioideae (Benth. & Hook.f.) Panero & V.A.Funk
- Gymnarrhenoideae Panero & V.A.Funk
- Hecastocleidoideae Panero & V.A.Funk
- Mutisioideae (Cass.) Lindl.
- Pertyoideae Panero & V.A.Funk
- Stifftioideae (D.Don) Panero
- Vernonioideae Lindl.
- Wunderlichioideae Panero & V.A.Funk
Antoko lehibe sasany
[hanova | hanova ny fango]Ny fianakaviana Asteraceae dia ahitana vondron-karazana miisa 1 600 hatramin' ny 1 900 any ho any, nefa ireto no vondron-karazana lehibe:
- Senecio (karazana 1 000);
- Vernonia (karazana 1 000);
- Cousinia (karazana 650);
- Eupatorium s.l. (karazana 1200);
- Centaurea (karazana 600);
- Artemisia (karazana 550);
- Hieracium (karazana 500-600);
- Helichrysum (karazana 500);
- Baccharis (karazana 400);
- Mikania (karazana 400);
- Saussurea (karazana 300);
- Verbesina (karazana 300);
- Cirsium (karazana 250);
- Jurinea (karazana 250);
- Bidens (karazana 200);
- Crepis (karazana 200);
- Aster (karazana 180, tsy anisany ireo ao amin' ny Symphyotrichum, Sericocarpus);
- Gnaphalium (karazana 150);
- Tragopogon (karazana 110);
- Solidago (karazana 100).
Antoko misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Antoko tsy hita raha tsy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Ireto ny antoko tsy hita raha tsy eto Madagasikara:
- Humeocline (ahitana ny Humeocline madagascariensis);
- Colobanthera (ahitana ny Colobanthera waterlotii);
- Madagaster (ahitana ny Madagaster andohahelensis, Madagaster mandrarensis);
- Helichrysum (ahitana ny H. leucosphaerum, H. triplinerve);
- Psiadia (ahitana ny P. altissima);
- Pluchea (ahitana ny P. bojeri);
- Senecio (ahitana ny S. canaliculatus, S. hildebrandtii);
- Vernonia/Vernoniopsis;
- Emilia (ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana);
- Mikania;
- Tridax;
- Distephanus