Rehandry

Avy amin'i Wikipedia

Rehandry dia mpanjakan' ny Bara Imamono. Nandimby an-dRatsimivily rainy Rehandry. Tamin’ ny andron-drainy dia efa nanaiky azy ny Sahamavaka sy Ilovo ary tamin’ izany dia efa i Rehandry no nitondra ireo faritany roa ireo. Tamin’ ny taona 1850 dia nalefany Ikely zanany lahy, niaraka tamin’ ny mpanolo-tsaina sy ny miaramila, nikarakara ny ombiny marobe tany Ampanihy. Nanorina tanàna vaovao Ikely ary izany no niandohan’ ny tanànan’ Ankazoabo.

Ny ady tamin' ny Masikoro[hanova | hanova ny fango]

Ny ady voalohany tamin' ny Masikoro[hanova | hanova ny fango]

Nanafika sy namabo ny ombin’ i Rehandry matetika ny Masikoro. Ny an-dRehandry kosa dia tafika an-daharana mihitsy no nalefany namely ny Masikoro. Resy ny Masikoro ka nahazoan-dRehandry tany lehibe sy omby tamin' ny taona 1859. Voatosika avy tany an-dohan’ i Fiherenana ny Masikoro tamin’ izay.

Nony afaka kelikely anefa dia nifanampy Fitolia avy any an-dohan’ i Fiherenana sy i Somongay, mpanjakan’ ny Masikoro ka hanao valin’ ady. Nony ren-dRehandry fa niomana hamely azy i Fitolia sy i Somongay dia nanao tanàna mimanda tao Ampihamy izy hisakanana ny fahavalo. I Somongay koa nanao ho azy tao Besavoa. Dia samy namory ny havany ny an-daniny roa. Raikitra tao Tongobory ny ady. Avy tampoka ny orambaratra tamin’ izay ka nisy vitsivitsy matin’ ny varatra. Samy raiki-tahotra ny an-daniny roa ka samy namonjy ny mandany avy, tao Ampihamy sy tao Besavoa.

Tamin’ izay dia tonga nampihavana ny roa tonta Rasambatra, vadintany nalefan-dRainisoamialy, goverinora tao Ihosy. Nanaiky ny fanelanelanana Rehandry fa i Somongay nandà ka dia nitohy ihany ny ady. Lany vanja sy bala anefa ny Masikoro ka resy ary maty i Somongay ka fito volana taty aoriana vao nalain’ ny havany ny fatiny ka nalevina tao am-pasan-drazany ao Ambohibola.

Taorian’ny nandresen-dRehasy ny Masikoro, dia nomeny tany tany Fiherenana Ikely zanany ary nafindrany taminy ny anarany hoe Rehandry fa izy kosa naka ny anarana hoe Lehimanjaka. Dia niala tany Ankazoabo Ikely- Rehandry II ka nonina tao Antevamena tao amin’ ny tany nomen-drainy azy.

Ny ady faharoa tamin' nv Masikoro[hanova | hanova ny fango]

Mbola nirehitra indray ny adin’ ny Bara sy ny Masikoro tamin’ ny taona 1875. Tamin' ity ady faharoa ity Lehimanjaka dia nifanampy tamin’ i Reba, rahalahin-drain' Isambo, mpanjakan’ ny Bara Iantsantsa. Tonga hatrany Befandriana Atsimo ny tafika nentin’ i Lehimanjaka ary nahazo omby babo vony anarivony.

Nony vita ny ady dia novoriny ny vahoaka mbamin’ ny mpifehy sy ny zanakandriana ka samy notolorany izay anjara taminy avy ny zanany. Rehandry II no notendreny ho mpanjakan' ny Bara Imamono. Ny mpanjaka sisa, mbamin' ny mpifehy, na dia samy nahaleo tena aza dia nasainy nanoa an-dRehandry II. Fotoana fohy taorian' izay dia maty Lehimanjaka. Rehandry II kosa dia niova anarana hoe Impoinimery fa ny anarany hoe Rehandry II dia nafindrany tamin' Iatahiry zanany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjaka bara: