Andriamanely

Avy amin'i Wikipedia

Andriamanely dia mpanjaka bara nalaza tamin' taonjato faha-17, izay nitaranaka ny Bara Zafimanely, araka ny lovantsofina. Andriamena no rainy, izay niteraka koa an' Adriamandàna sy Rebiby zokiny. Na dia zoky Andriamandana dia tsy navela hanjaka ny taranany noho ny fahadisoana nataon' ny anankiray taminy tamin' ny nanambadiany ny vady navelan-drainy.

Rehefa maty Andriamandàna zokiny dia nipetraka tao Ranotsara Avaratra i Andriamanely. Ny Tsienimbalala, vahoakan’ ny Zafindravola no novantaniny tao, niady taminy ary resiny sy nahazoany babo betsaka, olona sy omby (tamin' ny taona 1649). Ny mpanjaka Andriamanely dia nampiaiky ny foko maro nanodidina an' i Betroka. Novany anarana ho Volambita ny anaran' io faritany io ho fahatsiarovana ny tany niaviany tany Ranomena. Rehefa maty Andriamanely dia Andriamanafotsarivo zanany no nandimby azy tao Ranotsara.

Niteraka maro Andriamanely, ka ireo taranany ireo no natao hoe Zafimanely izay nanangana fanjakana Bara maro, dia ny Bara Be, ny Bara Imamono, ny Bara Iantsantsa, ny Bara Mananantanana, ny Bara Manandàna. sns... Isan' ireo zanany Andriamanafotsarivo, razan’ ny mpanjaka bara maro; Ratsimive, razan’ ny mpanjakan' ny Bara Vinda tao Beroroha; ary Andriampanolahy, nipetraka tao Tsitondroina.

Lovantsofina hafa momba an' i Andriamanely sy ny Zafimenely[hanova | hanova ny fango]

Misy ny milaza fa ny Bara Zafimanely dia taranak' izany atao hoe Manoel de la Cerda izany, mpiantsambo pôrtogey, rendrika tao Morombe ka nanavotra aina niatsinanana. Ny Zafimanely izany dia tokony hoe "Zafimanoely", izany hoe "zafin' i Manoel".

Araka ny filazana anankiray hafa dia taranak' izany Itaba, mpifindra monina avy any Efezy (na Efesosy), izany Andriamanely.

Ny fitantarana fahatelo dia milaza fa teratany avy tany Afrika Atsinanana ny Bara ary nentin' ny filohany nita ranomasina nankaty Madagasikara ka niantsona tao anelanelan’ i Morondava sy Toliara.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjaka bara: